airtel

Actualités

29-juin-2023

Actualités

Mpiasan’ny CNaPS “Avoahay ny mangarahara sy ny tena marina”

Sample post image

Mitaky fangaraharana mikasika ny raharaha nampidirana am-ponja ny Tale Jeneraly Mpisolo toerana eo anivon’ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale)

29-juin-2023

Rtoa Joslina Tsaboto ny sendikan’ny mpiasa ao amin’ity orinasa mitantana ny fisotroan-dronon’ny mpiasa Malagasy ity. Araka ny fanambarana nataon’izy ireo omaly, manohana ary ao an-damosin’io Tale Jeneraly io ireo mpiasa, ary miantso ny fitsarana mba haneho mangarahara araka izay tena tokony ho izy eo anatrehan’ny fanenjehana io tompon’andraikitra io, izay naiditra am-ponja vonjimaika ny herinandro lasa teo, taorian’ny fanadihadian’ny PAC na ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly azy. «Raha amiko manokana, olona tena mahitsy Rtoa Tale Jeneraly mpisolo toerana ! Tsy mino aho hoe izy no manao kolikoly, saingy misy ny mamadika ny zava-misy handetehana azy », hoy Atoa Jojo Andriamihaja Rakotozanany Filohan’ny Sendika eo anivon’ny CNaPS. Nambaran’ireo mpiasa fa hatramin’ny nitantanany ny CNaPS dia naneho fahintsiana hatrany izy, ary niezaka nanarina ny fantiantok’ity orinasa ity. Tsy mieritreritra hanao grevy anefa ny mpiasa, mitohy ny asa, ary manantena ny sendika fa ny Filankevi-pitantanana izay nandray ny fitantanana dia hanao ny asa araka ny tokony ho izy. « Tsy misy mieritreritra hanakorontana eo anivon’ny CNaPS kanefa mino izahay fa mba hahita vahaolana eo anatrehan’izao olana miseho izao ny Fanjakana », hoy hatrany ny Filohan’ny Sendika eo anivon’ny CNaPS. Misy ny filazana fa resaka fampidirana mpiasa niainga tamin’ny kinamanamana sy amin’ny resaka fihaviana no isan’ny nanenjehana azy, saingy ny resaka hafa mandeha dia noho ny fahitsiany sy fiadiany ny tombotsoan’ny CNaPS. Voalaza fa nitaky ireo trosan’ny CNaPS sy tombotsoa na fananana amin’ny sehatra samihafa : orinasam-panjakana, orinasan’olon-tsotra, sampan-draharaham-panjakana, olon-tsotra,… Misy ohatra ny resaka mandeha fa misy fiaran’ny CNaPS marika Toyota Hilux mitondra ny laharana 6460 T… tazonin’ny vadina minisitra iray efa mpanolotsaina manokan’ny Tale Jeneraly teo aloha, saingy efa nesorina, fa ny fiara tsy naveriny. Voalaza fa izy no niezaka nanao ny mafana sy ny mangatsiaka tao, ary efa sosotra ny mpiasa, saingy mbola ny Tale Jeneraly mpisolo toerana no nandamina,… Asa moa izay fanazavan’io vadina mpikamban’ny governemanta io?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap