Naharay vaovao avy tamin'ny tsara sitrapo mikasika fisiana olona maromaro mihaodiaody eny Andranomena ny mpitandro ny filaminana. Voalaza fa mpitsindrona sy mpivarotra "rôrô" izy ireo ka avy hatrany dia nirotsaka teny an-toerana ny polisin’Ambohimanarina. Sarotra soa aman-tsara izy 7 mianadahy nandritra izany ka fantatra fa 22 taona hatramin'ny 48 ny salan-taonan’izy ireo. Monina eny Ambohibao, Ambatolampy, Andranomena ary Ampasapito izy ireo ary miezaka mamatsy ireo manodidina azy. Tsiahivina moa fa mody tambatambazan’izy ireo ireo mbola tsy mpitsindrona roro eny am-piandohana ary omeny maimaim-poana. Rehefa tamana sy miankin-doha kosa ireto farany dia hamidiny lafobe izany, antony manosika ireo tanora sasany hangalatra mihitsy.
Pati
Legende : Ireto izy 7 mianadahy !
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona