Tokony hitandrina araka izany ny rehetra indrindra fa amin’ny ankizy madinika izay mbola tsy tompon’ny tenany amin’ny filalaovana afokasoka na briquet na ihany koa ireo fitaovana mandeha amin’ny herinaratra. Trano miisa 97 tafo no indray kilan'ny afo vokatr’izany tao amin’ny Fokontany Volambita Distrikan’i Beroroha ny 03 Aogositra lasa teo. Olona 582 mianaka no indray tsy manan-kialofana vokatr’izany ka anisan’ireny ny zaza amam-behivavy. Afo nolalaovin'ny zaza tao amina tokantrano iray moa no niteraka izao loza mahatsiravina izao. May avokoa ny entana rehetra tao amin’ireo trano ireo noho izany raha toraka izany koa vary amin’ny kitapo sy ny vokatra maro samihafa. Samy mialokaloka any amin’ireo olom-pantany avokoa ireo fianakaviana ireo noho izany raha misy ireo namonjy ny biraom-pokontany….
Pati Legende : Tsy misy na inona na inona intsony eto amin’ity tanana ity !
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona