airtel

Actualités

25-juil-2023

Actualités

Paul Rabary “Lalaon’ny nosy sa fampianarana no zava-dehibe ?”

Sample post image

Anaty krizy tanteraka ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny antoko politika Ny Fireneko sady minisitry ny fanabeazana teo aloha,

25-juil-2023

Paul Rabary! Raha raisintsika aty amin’ny ambaratonga fototra, hoy izy, dia eo amin’ny katitakely ka hatraty amin’ny afaka BEPC dia hitanareo fa sahirana na ny mpampianatra na ny mpianatra. Ny PSE tsy mandeha amin’izay laoniny. Ny mpampianatra tsy tafiditra mpiasam-panjakana. Korontana be ao. Miakatra kely indray isika manomboka aty amin’ny lisea moa dia iny hitantsika iny ny Bakalorea. Tsy mbola nisy tao anaty tantaram-pirenen’i Madagasikara nanomboka tamin’ny fahaleovantena ka hatramin’izao ilay Bakalorea mikorontana. Ny tamin’ny taona 1991 moa tsy natao. Fika rakarana fanadinam-panjakana izany anefa tokony efa mahazatra na hoe “routing” fa tsy hisy korontana izany. Tsy tokony ho olana eto mihitsy izany nefa tamin’ity fitondrana ity in-droa. Tamin’ny nanombohan’ilay fitondrana dia izao izy hamarana azy izao. Korontana tanteraka no misy. Fantatrareo ny zava-misy aty amin’ny oniversite. Ny takianay mpampianatra mpikaroka amin’ny alalan’ny SECES dia ny fanomezana hasina ny mpampianatra mpikaroka. Fanomezana ny fahafahan’ny mpampianatra mpikaroka miasa anaty fitoniana. Fandoavana ny karamany. Nanomboka ny taona 2018 no mankaty dia varimasaka ny fandoavana ilay karama. Misy ny tsy nandray 4 taona na 3 taona. Asa efa vita nefa izany fa tsy hoe mbola ho atao. Tafiditra anaty tetibolam-panjakana, lalànan’ny tetibolam-panjakana. Tombontsoa efa neken’ny fanjakana dia tsy aloha. Tena ivakian’ilay fanjakana loha ve ilay fanabeazana ary manana fomba fijery momba ny fanabeazana ve ny fanjakana? Ny fanabeazana tsy efitrano, tsy kitapo, tsy boky fa tena isan’ny manahirana be satria olombelona no manabe, olombelona no beazina. Olombelona no tafavoaka, Olombelona no raiamandreny. Tsy maintsy omena hasina izany ny mpanabe, mpianatra, ray aman-drenin’ny mpianatra. Ny fanomezana hasina azy dia ny fanomezana azy fitaovana sy fanampiana azy amin’ny zavatra maro samihafa toy ny fampiofanana sy ny kalitaon’ny zavatra omena. Manahirana sy atao tsy dia misy vidiny loatra izany izao. Tsy tsapan’ny fitondrana ve ny fangirifirian’ny olona miady amin’izany tsy fisiana izany? Ny vahaolana voalohany dia hoe manam-bola ihany ny fanjakana hanaovana an’ity werawera rehetra ity, maninona no tsy aloha ny karaman’ny olona miasa? “Jeux des iles” na lalaon’ny nosy sa fampianarana no zava-dehibe amin’ny fitondrana, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap