airtel

Actualités

23-juin-2023

Actualités

Raharaha MBS Notebahan-dRavalo imaso imaso ny minisitra Lalatiana

Sample post image

Notebahan’i Marc Ravalomanana imasom-bahoaka ny Minisitry ny serasera Rtoa Lalatiana Rakorondrafy izay teo anoloany omaly, nandritra ny famoriana ireo mpanao politika notarihin’ny CENI.

23-juin-2023

Momba ny serasera, nobahanan’ilay minisitra ity ny fandehanan’ny MBS any amin’ny canal satellite, ka vahao ilay izy. Rehefa nanontany ny tribonaly dia voalaza fa baiko avy any amin’ny minisitra no nahatonga ilay didy manakana ny MBS”, hoy I Marc Ravalomanana. Nitehaka ny mpanotrona sasany tao anatin’ny efitrano teo anatrehan’izany. Nitsangana nandray fitenenana avy hatrany ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, ka nilaza fa tsy misy fahefan’ny Minisitry ny serasera na kely varaventy aza ny mikasika ny didim-pitsarana (ordonannance) navoakan’ny tribonaly ny fitsarana momba ny MBS, tsy misy fitsabahana amin’ny fitsarana. Ao ny “ordonnance” manazava ny pitsopitsony nahatonga ny fitsarana handray izay fanapahan-kevitra izay”, hoy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Naneho fa tsy fahefan’ny minisitra ny mampiditra ny haino aman-jery ao anatin’ireny tolotra ireny, fa an’ny orinasa manao izany. Manana onjam-peo ihany koa izy, raha ny nambarany, ary efa nangataka ny hiditra ao anatin’ny canal satellite, ka raha nanana fahefana dia ny azy no no mety nampidiriny, araka ny valin-teniny. Raha hiverenana ny raharaha MBS, dia natsahatra ny fahafahany mandeha amin’ny tambajotra satelita fa hoe: nanao fandikan-dalàna tao anatin’ny fandaharana politika. Tsy miaro ny MBS fa mampametra-panontaniana hoe: raha nandika lalàna, moa tsy izay nandika lalàna tao anatiny no henjehina na ilay orinasa mihitsy no nakatona tanteraka fa tsy hoe: misy ampahana Malagasy mahazo mijery ary misy hafa saziana tsy ho afaka hijery? Raha ny nambaran’ireo mpisolovava ny MBS tany amin’ny jolay 2022, dia ny fitsarana no nanatsahatra ny fandefasana azy amin'ny "bouquet canal satellite" rehefa nisy ny tkoa ny “ordonnance” navoakan'ny Fanjakana ny 5 febroary 2021. “Rehefa anefa natao ny fanoherana na "opposition" dia milaza tsy mahefa indray ny fitsarana. Tokony tamin'ny fangatahana nataon'ny Fanjakana dia efa tsy mahefa. Tsy nantsoina ny MBS tamin'io ordonnance io, fa tonga dia ireo orinasa Canal+, Startimes, parabole no nasaina nanapaka. Manelingelina ny MBS, lazaina manao "incitation à la haine", manohintohina ny filaminam-bahoaka,... ka raha nisy nanao an'izany dia ny olona niteny no henjehina kanefa tsy an'izany hatreto”, hoy ireo mpisolovava. Misy tsindry ara-politika, ataon'ny Fanjakana fitaovana ny fitsarana, tsy voahaja ny fisaraham-pahefana, voatohintohina ny zo hamoaka sy hahazo vaovao,... hoy ny Mpiaro ny MBS tamin’izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap