airtel

Actualités

04-mai-2023

Actualités

Resaka fanamiana mpitandro filaminana Be loatra ny goragora sy ohatra ratsy avy any ambony

Sample post image

Nampifoha adihevitra samihafa ny nielezan’ny sarin’ny mpanakanto Ayo Naej nanao fanamiana mitovy ny an’ny mpitandro filaminana.

04-mai-2023

Fandikan-dalàna ny fanaovana fanamiana miaramila tsy ary tsy manana zo hitafy izany ny sivily, araka ny voalazan'ny Andininy faha-259 ao amin'ny Fehezan-dalàna Famaizana Malagasy. Nasaina nandalo tany amin’ny paositry ny zandary, ka ny takarivan’ny talata dia efa nandeha teny amin’ny Borigadin’ny zandary teny Itaosy niaraka tamin’ilay fanamiana. Tonga dia notanana tao avy hatrany. Naharitra 22 ora no tao, ary omaly maraina no natao fanadihadiana, avy eo navotsotra. Nilaza ny mpanakanto Tence Mena izay sakaizany fa fanomezana avy amin’ny fianankavian’ilay tovolahy monina any France io, akanjona “légionnaire” Frantsay ka tsy noheverina fa tsy azo anaovana. Naneho fialan-tsiny ampahibemaso moa I Ayo Naej. “"Artista aho fa tsy zandary na miaramila, miala tsiny amin'ny fanjakana, ny mpijery facebook sy ny namana sy ny fianakaviana rehetra tamin'ny fihetsiko sy ny nataoko.", hoy izy. Nanamafy kosa ny mpitandro filaminana tamin’ny alalan’ny Lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimaria eto Analamanga fa, tsy azo atao ny manao fanamiana mpitandro filaminana sy ny fivarotana azy ireny noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana satria misy jiolahy mampiasa azy ireny. Marihina fa tsy vao androany na omaly io andininy ao anaty fehezan-dalàna famaizana io fa ny olana eto amintsika dia ny goragora amin’ny fampiharan-dalàna. Mafana am-boalohany ny fanenjehana dia mangina avy eo, ary betsaka ireo olona tokony ho fitaratra no minia mandika izany ka gaga ny rehetra hoe: efa tsy mihatra intsony angaha ilay lalàna? Nisy fandraisan’andraikitra sy fampahatsiahivana lalàna ve raha tsy efa notsikerain’ny olona tany anaty tambajotran-tserasera? Ny tena zava-doza, olona mpanao lalàna izao no isan’ny manao an’ireny fanamiana ireny, depiote tsy latsaky ny telo no misy mamoaka sy mampahatsiahy ny sariny, artista malaza,… Ny goragora efa manimba, miampy fanomezana ohatra ratsy avy amin’ireo tokony ho fitaratra, hany ka toa lasa samy mmanao izay saim-patany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap