izay mifandraika amin’ny resaka fikajiana tontolo iainana amin’izao fotoana izao i Madagasikara, raha ny fampitam-baovao voaray farany. 1,12 miliara dolara eto no resaka, hoy ity loharanom-baovao ity, saingy mirotsaka mangingiana ary tsy hita izay tena vokany. Efa hatramin’ny taona 2015 no nisian’izany. 200 tapitrisa dolara no niatombohany ka ny 36,6 tapitrisa dolara tamin’izay no efa nirotsaka ka misanda 10 dolara ny taonin’izay akora voalaza teo na karbaonina izay. heverina ho tafakatra 40 dolara izany hatramin’ny taona 2025. Izay no manome ilay 1,12 miliara dolara. Maro ao anatin’izany, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany, ny resaka fifanadrahonana, fifanaratsiana, fifanalam-baraka, mety ho fifamonoana mihitsy ao ambadik’ity raharaha ity saingy misy kosa ny porofo efa miparitaka momba ny fisian’izay dosie mikasika izay vola harotsaky ny firenena mikambana amin’ireo firenena toa an’i Madagasikara izay.
J. Mirija
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona