airtel

Actualités

25-mai-2023

Actualités

Sehatry ny angovo azo havaozina aty Afrika

Sample post image

Niantso ireo mpamatsy vola ny Minisitry ny toekarena

25-mai-2023

Mifarana anio any Sharm El-Sheik any Egypte ny Fihaonam-ben’ny Vondron’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD), ho an’ireo governora. Ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison no mitarika ny delegasionina Malagasy any an-toerana, ka isan’ny tazana ny Talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika, ny minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha izay lasa mpanolontsain’ny Filoha Atoa Patrick Rajoelina, ny Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny EDBM Rtoa Lantosoa Rakomalala. Nandritra io no nandraisana ilay amboara ho an’ny Filoha Rajoelina, izay nambara fa voahosotra ho mpanangana lehibe aty Afrika na “Grand bâptiseur”. Nandritra ny fivoriana, nandray fitenenana amin'ny maha Governora azy ny Minisitry ny toekarena Malagasy, ka nohamafisiny fa ilaina ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo aty Afrika amin’ny fiantsoana ireo mpamatsy vola tsy miankina. Nomarihany fa mihatra aman’aina izany filàna angovo izany. Nosinganiny manokana i Madagasikara izay afaka mamokatra herinaratra 2000 KW amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro sy 7.388 MW amin’ny alalan’ny rano. Mahakasika ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro indray, dia nanamafy ny fanazavana nentin'Andriamatoa Adesina AKINWUNI, Filohan’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana, ny tenany ka nilazàny fa mitohy hatrany ny ady atao amin’izany, indrindra fa 4%n’ireo "Gaz à Effet de Serre" ihany no avy eo amin’ny kaontinanta nefa dia ireo firenena ao anatiny no mizaka ny mafy indrindra. Nisaotra manokana ny BAD izy arak’izany amin’ny fametrahana ny «Fenêtre d’Action Climatique», entina hanampiana ireo firenena an-dalam-pandrosoana, hoy hatrany ny tatitra. Anisan’ny lohahevitra noresahana nandritra ity fivoriana ity ihany koa ny fanjariana ara-tsakafo, ka nilazan’Andriamatoa Adesina AKINWUNI fa tsy rariny raha mahatratra 280 tapitrisa ireo afrikanina tsy misakafo nefa ny 65%n’ny taniny dia azo hambolena. Nanentana izy, arak’izany, fa mbola ilaina ny fanampiana ireo firenena mandrafitra an’i Afrika ho amin’izany. Ho an’I Madagasikara dia mbola henjana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo, ary vao nisy antontan’isa nivoaka aza vao andro vitsy fa mahatratra 155 000 ireo ankizy lasibatra.
Toky R

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap