Vita hatramin'ny 25 isan-jato ny asa Vaventy fanorenana toby famokarana herinaratry ny Jirama ity, izay famatsiam-bolan'ny Fitondram-panjakana Malagasy madiodio, raha ny fampitam-baovao. Noraisina tamin'ny fomba ofisialy omaly ireo fitaovana avy any Inde hanohizana ny asa. Araka ny tetiandro napetraka ny orinasa manatanteraka ny asa dia ny volana aogositra izao no ho hametraka ireo milina mpihary miisa 2, ny volana oktobra kosa ny 3, ary ny desambra ny 2 farany. Vinavinaina ny faran'ny volana desambra 2023 izao no ho hatolotra amin'ny fomba ofisialy ity fotodrafitr'asa izay hanampy ny vokatra herinaratra vatsiana eto amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo ity, hoy ny serasera. Toby mpihary herinaratra mandeha amin’ny solika io mazava ho azy, izay mety hanahirana ihany ny resaka fandaniana raha jerena amin’ny zava-misy ankehitriny, saingy aleo misy toy izay tsy manana, araka ilay fomba fiteny. Ato anatin’ny vanim-potoana mampivaivay ny delestazy no hanaovana ny serasera hoenti-mampanantena ny olona fa mandeha ny fikaroham-bahaolana. Tsy vao sambany anefa no nisy fampanantenana zavon-tany toy ny 400MW tamin’ny propagandy, ny nilazana tamin’ny janoary 2022 raha nisy ny olana goavana tany Andekaleka noho ny fahasimbana fa afaka 6 ka hatramin’ny 8 volana dia ho foana ny delestazy, saingy mandrak’ity ny androany vao mainka zava-doza. Tamin’izany no efa nanaovana serasera goavana fa hoe: tonga ny milina faha-4, saingy mbola ampahorian’ny delestazy andro aman’alina ny vahoaka, potika ny fihariana, mihena ny vola miditra,… fa ny faktiora tsy miova! Tsy finiavana hanakiana lava, fa tsy fampandrosoana ara-toekarena ho vanona eto Madagasikara raha mbola ny angovo no tsizarizary. Mbola vao ny 15 hatramin’ny 20% amin’ny Malagasy aza no misitraka herinaratra tsy voavaha ny olana. Mila politika momba ny angovo mahomby kokoa, ka isan’ny vahaolana ny firosoana makany amin’ny loharanon’angovo madio, ny angovo azo havaozina,… fa raha hiantehitra hatrany amin’ny solika mety mbola ho lavitra ny vahaolana satria vao tsy ampy vola izany dia delestazy… Asa hanao ahoana ihany koa ilay filazana fa hametraka orinasa hafa ho mpifaninana amin’ny Jirama ?
Toky R
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona