Mirefy 3.300 Hektara no velarantany nasiam-panajariana taty aoriana mba ho fanitarana izany, izay ao amin'ny kaominina Morombe sy Ambahikily ary Tanandava station izay samy ao anatin'ny distrikan'i Morombe avokoa, hoy ny fanazavana nifarimbonan’ireo tomponandraiki-panjakana any an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Rehefa natao ny fotodrafitrasa fampidiran-drano sy ny lalana fivoaham-bokatra dia lasa ho 2.800 hektara no velaran-tany sisa azo volena amin'izao io any an-toerana, hoy izy ireo. Ny fangatahana voarain'ny komity mpizara kosa dia 1.600, izay fangatahana manokana avy amin'ny mpanamaintimolaly, ankoatry ny taratasy fangatahana vaovao miisa 17.700 izay noraisina avokoa ireo samy hafa ireo. Io tany rehetra io anefa dia manan-jo ny malagasy rehetra hisitraka izany rehefa mahafeno ny fepetra. Ny taona 2014 mialohan'ny fanajariana izay kasaina hatao ity izay niarahana tamin'ny «Projet d'Extension du Périmètre de Bas Mangoky» dia nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana tamin'izany fa tsy misy olona afaka mikitika ireo tany ireo ary fantatra tamin'izany fa 2% n'ny tany io ihany no nisy nampiasa izay antsoina hoe mpanamaintimolaly, raha ny fanadihadiana natao. Amin'izao fotoana izao dia vita tanteraka ny fanajariana io tany 2.800 hektara io ka rehefa natao indray ny fanadihadiana dia ny 80%n'ny tany no voalaza nisy nanamaintimolaly, ny 51% n'ireo no nahitana fifanarahana ara-barotra ary ny 1%n'izany no nahavita bokin-tany na «titre» ankehitriny. Nanapa-kevitra ny nampihatra ny fanapahan-kevitra noraisina tamin'ny taona 2014 ny tomponandraikitra amin'izao, voalaza tamin'izany fa tsy misy olona afaka mikitika ny tany rehetra izay voakasiky ny fanajariana io mba hisorohana ny fanararaotana izay mety hitranga. Misy amin'ireo olona nandika lalàna izay voalaza fa nividy atsokosoko sy milaza fa tompon'ny tany ireo anefa no manely tsaho ankehitriny fa tsy ara-dalana ny fizarana ny tany izay efa mizotra an-tsakany sy an-davany amin'izao. Tsy misy na iza na iza no afaka mandrindra ny fizarana io tany io akoantry ny komity najoro manokana hisahana izany dia ny CAT «Comité d'Attribution de Terres» izay ahitana mpikambana maromaro toy ny ben'ny tanàna, ny lehiben'ny fokontany sy ny lefiny, ny filohan'ny Dinabe, ny solontenan'ny raimandreny miisa 3 isaky ny fokontany, ireo mpikambana mpikirakira mivantana izay antsoina hoe CAT Opérationnel. Mpikambana ao anatin'io CAT io ihany koa ny governora sy Prefe, ny talem-paritry ny fambolena sy fiompiana, ny talem-paritry ny fanajariana ny tany, ny «domaine» sy ny «topo» ary nezahina nampandraisana anjara amin'ny andraikitra avokoa ny sampan-draharaha toy Bianco sy maro hafa, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona