airtel

Actualités

04-juil-2023

Actualités

Taolagnaro Mpanao gazety 3 natao takalon’aina

Sample post image

Namoaka fanambarana ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM omaly, ka nilaza fa manameloka

04-juil-2023

ny herisetra sy ny fandrahonana ho faty ny mpanao gazety telo lahy, teo am-panatanterahana ny asany amin'ny fikaroham-baovao ifotony, tany Taolagnaro, faritra Anôsy, omaly alatsinainy 03 jolay 2023. « Rehefa nanazava ny diany tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny « Quatre Chemins » fa handeha hanao fanadihadiana eny Amaroamalina nisian'ny sakan-dalana. Nosakanana andian'olona mirongo lefona, antsy lava, pilotra izy ireo, nihodihodininy sy norahonany ho faty. Nampangaina fa handeha hamatsy bala ny "Région" », hoy ny OJM. Nambaran’ny Holafitra fa nandritra ny ora iray no nanaovana takalon'aina ireto mpanao gazety ireto izay efa reraky ny ompa sy fandrahonana. “Manoloana izao toe-javatra izao dia miantso ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga izahay mba samy handray ny andraikiny sy hanokatra fanadihadiana hisitrahan'ny tsirairay ny zony hahazo vaovao marina sy voamarina. Zon'ny mpanao gazety ihany koa ny hanao fanadihadiana malalaka mikasika ny zava-misy rehetra izay iankinan'ny fiainam-bahoaka, araka ny voafaritry ny andininy 60 amin'ny Lalàna 2020-006 ny 1 septambra 2020, momba ny serasera amin'ny haino vaky jery. Mangataka ny mpitarika fihetsiketsehana rehetra mba hifehy ny olona entiny tsy hihoa-pefy tahaka izao », hoy hatrany ny eo anivon’ny OJM.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap