airtel

Actualités

29-juin-2023

Actualités

Taolagnaro Tratry ny sakoroka indray ny QMM

Sample post image

Raikitra ny rombo tany Taolagnaro nanomboka ny 26 jona lasa teo. Nisy ny olona nidina an-dalambe noho ny tsy

29-juin-2023

fahafaham-po tamin’ny fifanarahana nisy teo amin’ny Fanjakana sy ny orinasa QMM taorian’ny fanaovazana ny fifanarahana. Voalaza fa tsy afa-po tamin’ny drafitra sosialy tamin'ilay Filankevitry ny minisitra ny 21 jona lasa teo, ka misy ireo olona sosotra sy namelona sakoroka, ka voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana. Voalaza fa mety hisy hatramin’ny fisamborana satria voatery nivory nandinika ny toe-draharaha ny OMC (Organe Mixte de Conception). Etsy andaniny, namoaka fanambarana ny QMM fa niharan’ny herisetra sy ny fanakorontanana. “…Nisy ny fidirana antsokosoko ary ny sakan-dalana tsy ara-dalàna ny toeram-pitrandrahan’i QMM. Izany dia taorian’ny fametrahana sakan-dalana roa amin’ny lalana manamorona ny QMM, nanomboka ny alatsinainy 26 jona lasa teo. (…) Manameloka tanteraka ireo herisetra rehetra i QMM. Mba hiantohana ny fandriam-pahaleman’ireo mpiasa sy ireo fotodrafitrasa, nanapa-kevitra ny QMM ny hampiato vonjy maika ireo asa famokarana, mandra-piverenan’ny fitoniana hahafahana. Raha hiverenana ny ampahan’ny fifanarahana vaovao ao anatin’ny 25 taona: nofoanana ny fandoavan'ny fanjakana ny volan'i QMM mitentina 77.2 tapitrisa dolara nampindraminy ny fanjakana; nofoanana ilay trosa 3 tapitrisa dolara ananan'ny QMM amin'ny Jirama; hando12 tapitrisa dolara amin'ny fanjakana ny QMM amin'ity 2023 ity ho fizarana tombom-barotra mialoha (Paiement de dividende anticipée);; mandoa 8 tapitrisa dolara ny QMM ho fanampiana amin'ny fanamboarana ny RN13 (109Km); manomboka amin'ity 2023 ity ka hatramin'ny 2030 dia tsy maintsy mandoa zara tombom-barotra 40% isan-taona amin'ny fanjakana ny QMM na mbola tsy tafaverina aza ny renivola nampiasainy teto. Ary manomboka ny taona 2031 ka hatramin'ny 2048 dia miakatra 60% izany. Mbola hananan'ny orinasa reniny Rio Tinto vola mitetina 704 tapitrisa dolara anefa ny QMM. Ho an’ny lafiny sosialy, nofaritana fa hakarina ho 4 tapitrisa dolara ny vola tsy maintsy hampiasain'i QMM amin'ny lafiny sosialy ary hasiana fiakarany 2% isan-taona izany. 500.000 dolara ho an'ny fambolen-kazo; 13 tapitrisa dolara no vola tsy maintsy hatokana ho fikirakirana ny rano maloto hateraky ny fitrandrahana. Rehefa hiroso amin'ny fitrandrahana ao Petriky ny QMM dia mandoa vola 3,3 tapitrisa dolara amin'ny fanjakana avy hatrany; rehefa hiroso amin'ny fitrandrahana ao Sainte-Luce ny QMM dia mandoa vola 15 tapitrisa dolara amin'ny fanjakana avy hatrany; Voatana ny fepetra ara-ketra afa-tsy ny “Taxe professionnelle” sy ny IFPB izay efa tsy misy intsony. Asaina mametraka foibe famokarana angovo azo havaozina mitentina 50 tapitrisa dolara anatin'ny 5 taona ny QMM; Ho fiarovana ny tontolo iainana dia manao fampiasam-bola mivantana 5 tapitrisa dolara ny QMM mba azahoana ny “crédit carbone”. Mividy “crédit carbone” 10 tapitrisa dolara amin'ny fanjakana ihany koa ny QMM.

Tsy vao sambany ny sakoroka natao tamin’ny QMM hatramin’ny nisiany, ary ahiana ho tonga hatramin’ny fisintahany raha tsy voalamina. Isan’ireo orinasa goavana mamelona olona maro, mampidi-bola ho an’ny Fanjakana, miantoka ny fahamarinan-toeran’ny Ariary anefa io. Ny herinaratra ao Taolagnaro, ohatra, dia ny QMM no heriny,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap