omaly 03 may, izay andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Taorian’ny fahaverezana toerana 41 tamin’ny 2022 satria faha-57/180 ny 2021 no lasa faha-98, dia very toerana 3 indray I Madagasikara satria eo amin’ny laharana faha-101 amin’izao 2023 izao. Raha 58,02/100 ny naotin’I Madagasikara ny 2022 dia nilatsaka 56,66/100 kosa amin’izao. Tondro miisa 5 moa no tena hanaovana ny fanakilasiana, dia ny ara-politika izay nametraka antsika ho laharana faha-117 amin’ny isa 49,03 raha faha-101 tamin’ny alalan’ny isa 52,58 teo aloha; ny tondro ara-toekarena eo amin’ny faha-139 tamin’ny isa 36,71 raha faha-126 ary nanana isa 35,08 teo aloha; ny lafiny lalàna nihemotra kely ho faha-94 (isa 60,69) raha faha-93 (64,47) teo aloha; ny tondro ara-tsosialy eo amin’ny faha-109 (isa 58,46) raha toa faha 105 (isa 64,50) teo aloha; ary ny tondro momba ny fiarovana dia faha-75 (isa 78,39) raha faha-69 (isa 73,47) teo aloha. Ho an’I Madagasikara manokana, fositra ny fangejan’ny kolikoly. Isan’ny lesoka ny fahambonian’ny tahan’ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra, ka ny radio no isan’ny loharanom-baovao fototra, raha ny voalazan’ny RSF. Arahan’ny Fanjakana maso akaiky kosa ny haino aman-jerim-bahoaka. Ny radio sy fahitalavi-panjakana (RNM sy TVM) eo ambany fibaikoana sy fibahanan’ny seraseran’ny governemanta amin’ny ankampobeny. Tsy afaka manao fandrakofana manerana ny Nosy ivelan’ny fidirana amin’ny “bouquet canalsatellite” ny haino aman-jery tsy miankina hatreto. Betsaka ny haino aman-jery tsy homena an’izany fa sakanana ankolaka na mivantana ireo orinasa misehatra amin’ny fandefasana izany anaty “bouquets” tsy hamela ny fandefasana ireo haino aman-jery mitsikera ny Fanjakana. Mbola mitazona ny laharana voalohany hatrany I Norvège izay manana isa 95,18/100, faharoa I Irlande izay manana isa 89,91, ary fahatelo I Danemark izay manana isa 89,46. Isan’ireo firenena lohalaharana amin’ny ady amin’ny kolikoly ireo, ary ambony be ny harin-karen’ny isam-batan’olona, ny tondro momba ny fahasambaran’ny olombelona,… Firenena Asiatika kosa no eo amin’ny laharana telo farany dia i Vietnam, Chine, ary Korea Avaratra no faha-180 farany, izay ny politikam-pitantanana mihitsy no mahatonga izay.
Toky R
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona