airtel

Actualités

12-mai-2023

Actualités

Tekinolojia iahiana ny fiainan’ny tantsaha

Sample post image

Miisa 154.000 hatreto no misitraka azy

12-mai-2023

Hahafahana mampihena ny sakana hahazoan’ny daholobe fahasalamana dia misy ankehitriny ny tolotrana tekinolojia ezahana ho tody hatreny amin’ny fiainan’ny tantsaha ny fiantraikany. Araka ny fanazavan’ny mpanorina ny tetikasa izay miantsoroka azy io na ilay antsoina hoe Mtomady na Mobile tomady, Elsa Rajemison, dia miara-miasa amina orinasa maka vokatra aondrana any ivelany izy ireo ao anatin’izany. Ireo orinasa ireo, hoy izy, dia manome tan-tsoroka ara-pahasalamana ho an’ny tantsaha. Ny anjaranay ao anatin’izay araka izany dia mampiditra ireo tantsaha anaty vovonana dizitaly misy anay hifandraisany amin’ny rantsana ahafahany misitraka fitsaboana. Misy ampaham-bola alohan’ireo tantsaha ao anatiny ao fa misy alohan’ireo orinasa kosa. Fantatra ao daholo izany ny lalan’ilay vola nomen’izy ireo hoe ohatrinona ny vola nomeny, avy aiza, iza no tantsaha afa-nisitraka ilay izy sy ny toy izany. Ahafahana manatsara ny tsinjodia tokony atao amin’ny resaka fahasalamana izay. Tekinolojia novolavolaina teto Madagasikara izy ity. Nisy, noho izany, ny fidinana ifotony nijerena ny odidina misy eny amin’ireo tantsaha, ny mikasika ny lafiny tambazotra, ny fahaizan’ireo tantsaha mikirakira ireny hairaha vaovao ireny ary na tsy manana finday azy izy, ohatra, dia omena karatra SIM ary raha amina toerana tsy misy tambazotra dia omena karatra dizitaly ahalalana ny misy azy. Miisa 154.000 izao ireo misitraka ny Mtomady manerana faritra miisa 15 eto amin’ny nosy. Tantsaha ny ankamaroany. Raha ny taona 2018 izahay no nanomboka niara-niasa tamina tetikasa iray miahy ny vehivavy bevohoka dia teo no nitsiry ny hevitra hoe raha misy ny antsoina hoe «mobile money» ankehitriny dia maninona moa raha mba manangana poketra tsy iahiana afa-tsy fahasalamana fotsiny kosa, hoy hatrany ny tenany ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap