ny fanomezana ny malagasy 100% ho an’ny mpihaino na amin’ny hira alefa izany na amin’ny fandaharana hatolotra. Fiaraha-miasa maro be moa no tontosa hatrizay nisian’ny Top Radio izay, ary azo lazaina ho tena mivelatra izy ankehitriny satria efa tafiditra ho isan’ireo haino aman-jery 10 voalohany eto an-drenivohitra. Mbola maheno azy ihany koa ny eto Madagasikara sy manerana izao tontolo izao amin’ny alalan’ny « station fm » sy ny « web radio ».
FAMPANDROSOANA SY FANABEAZANA
Ao anatin’ny fifehezana ny nomerika rahateo isika amin’izao fotona izao, ka heverina fa efa miroso amin’ny « web télé » ihany koa ny Top Radio ho amin’ny enin-taona manaraka. Ny fiovan’ny onjam-peo endrika moa no nanokafana ny enin-taona manaraka nanomboka omaly talata 02 mey. Hitohy hatrany koa ny ezaka fampandrosoana sy fampivoarana, ary ny fanabeazana sy fampahafantarana. Tsy ho latsa-danja amin’izany ny fahasahiana hiteny ho an’i Gasikara hampahafantarana ny mpihaino ny tena zava-misy marina eto amin’ny firenena. Ho taom-pandresena ity taona ity, io moa loha-hevitra nentin’ny TOP RADIO nanamarihana ny faha-6 taonany omaly, hevitra vaovao hikambanan’ny amin’ny vondron’orinasa miaraka aminy.
NIFANOTRONA
Nanomboka tamin’ny 7 ora sy 15 minitra maraina moa omaly no efa raikitra ny fanentanana maro samihafa teo anivon’ny onjampeo ka nifandimby teo ny mpanentana fandaharana, mpanao gazety, teknisiana sy ny vahiny tonga .teo ihany koa ireo mpanakanto maro be nanolotra ny kanto sy ny meva.Nifandimbiasana ny sehatra, onjam-peo tsy mialon-jafy rahateo ny TOP RADIO, zavatra izay nomarihin’ny mpihaino maro be niditra tamin’ny alalan’ny antso an-telefaonina hoe : « misaotra anareo nanome anay sehatra nahafahana nilaza ny hevitra an-kalalahana ..ary maniry ny hitohizan’izany hatrany ». Fanabeazana, fampianarana, fampahafantarana. Ireo no foto-kevitra ijoroan’ny TOP RADIO, ifanotronany sy iarahany miasa amin’ny mpiara-miombon’antokoa sy ny mpihaino ary ny sampandraharaham-panjakana izay tandrify ny tokony hataony io. Tsy misy firenena mandroso izany kanefa bado ny maro an’isa amin’ny vahoaka ao aminy, koa miezaka mitondra ny anjara birikiny ny TOP RADIO.Ho mariky ny fivoarana moa dia nanova ny endrim-pamantarana azy nanomboka omaly 2 mey 2023 ny onjam-peo.
Pati
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona