airtel

Actualités

12-mai-2023

Actualités

Tsy fisiana lalàna mazava «Risika be ny sehatry ny fanodinana fako»

Sample post image

Ao anatin’ny ezaka fampaleovantena ny vehivavy amin’ny alalan’ny toekarena manarina na «économie circulaire»,

12-mai-2023

izany hoe famokarana haitao amin’ny alalan’ny fikirakirana fako, dia miantso fanampiana ho azy ireo amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny FIM andiany faha 17 etsy Tanjombato ny koperativa Fanavotana. Seha-pihariana iray manontolo ny fako, hoy ny filohan’ity koperativa ity, Fara Rasamimanana. Misy ireo mpanangona, hoy izy. Misy ireo mpanodina. Misy ny tompon’ny fako izay tomponandraikitra voalohany tokony hamantatra hoe nanao ahoana no niafaran’ilay fako? Ireo vehivavy sahirana amina faritra misy fitantanana orinasa na «industriel» no mifanaraka amin’ilay fitantanana hoe alainy ny fako izay sady tsy organika no tsy simika mba hahodin’izy ireo. Ny taratasy izao lasa vakana na harona. Ny lamba lasa kilalao na saribakoly. Izany hoe lasa fidiram-bolan’ireo vehivavy. Tanjona anatin’izao fandraisana anjara izao koa ny haha lasa ireo vehivavy ireo ho mpandraharaha matihanina. Hampiakarina koa ny fahaizana satria tsy nahita fianarana ny ankamaroany. Mbola mila ampianarina koa zareo hanitatra ny fihariany sy hamantatra ny dikan’izany hoe fifanarahana. 30 isa ry zareo hatreto. 17 isa kosa no fokontany iasana ary mbola eto Antananarivo ihany aloha. Mila risika matotra be hatreto ny sehatry ny toekarena manarina sy ny fanodinana fako eto Madagasikara satria isika tsy manana lalàna mifehy ny fitantanana fako. Mikorontana be ilay sehatra hatreto ary be dia be koa ireo tsy manara-drafitra manao azy. Tsy misy anefa ny sazy voafaritra ho azy ireny iarovana ireo tena matihanina, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Legende : Ry zareo ao amin’ny fanavotana
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap