Toy ireo olona sasany dia lasa namonjy ny fetin’ny 25 jona tany ivelan’ny tanàna ny Ray aman-dRenin’ireo zaza roa izay manodidina ny 2 sy 5 taona. Mpifankatia nivahiny tao amin’izy ireo no nametrahana ireo tsy manan-tsiny ireo ka lasa izy mivady. Zava-doza anefa no nitranga taorian’izay. Tsy hita tao an-trano ny iray tamin'ireo zaza natory ary voalaza fa efa lasa koa ireo mpifankatia niambina azy ireo. Nanomboka teo ny fikarohana ity farany ka tany Ankenihenibe manodidina ny 10 km atsinanana Antokazo kaominina Manakambahiny Antsinanana no nisy nahita ilay ramatoa izay nivahiny tao amin'ilay tokantrano. Ny talata 27 jona maraina teo kosa vao hita ilay zaza saingy efa vatana mangatsiaka tao anaty rano sisa. Hiakatra fampanoavana anio alakamisy ilay vahiny raha araka ny loharanom-baovao azo hatrany.
Nangonin’i Pati
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona