Teo ny sampona na “scandale” mikasika ny zom-pirenen’ny filoham-pirenena, hoy izy. Niampy ity rahahara Romy Voos ity indray. Voizin’ny mpanohitra loatra io raharaha farany io na dia mbola tsy fantatra aza ny tena marina ao ambadik’izy io, hoy izy. Ny 8 septambra raha ny fantatra no fotoam-pitsarana azy. “Ho an’ny mpanaradia ny fitondrana indray satria efa nesorina amin’ny toerany moa izany ilay olona manoloana ilay olana tsy nihatra taminy irery fa tamin’ny firenena iray manontolo dia te hanome hafatra ihany aho hoe tsy tsara loatra ny manenji-dresy. Samia miandry sy mihaino am-pitoniana ny valim-pitsarana ahafahantsika mitsara azy. Diso mitsara olona ivelany loatra ny ankamaroan’ny gasy. Marina fa nanao izy, raha ny angom-baovao voaray, fa na izany na tsy izany tsy ampy loatra hiampangana azy ho meloka izany”, hoy I Falson Jocelyn Rantenaina. Etsy ankilany betsaka no mivoy hoe tokony asiana tetezamita. Tsy tokony miditra amin’izany izao fitondrana izao, hoy izy. Napetraka tamin’ny fomba madio sy mangarahara tamin’ny alalan’ny safidim-bahoaka izy ny taona 2018, ka tokony hamindra fahefana koa izany izy raha tsy lany amin’ny 2024. Tsy misy antony na sakana kely akory tsy andehanan’ny fifidianana satria efa nanao fanambarana ny CENI. Tahotra fifidianana ny filazana hoe tokony asiana tetezamita. Inona moa no ilàna fifampiresahana? Angaha misy mikorontana eto? Hizarana seza toy ny tamin’ny 2018 ve hoe an-dRakoto ny praiminisitra dia an-dRanona ny minisitra atsy sy atsy? Tsy fotoan’izany intsony izao satria 1 volana sisa raha ela indrindra dia hametra-pialana ny filohan’ny repoblika. Tsy mitombina ny hoe tsy afa-miala amin’ny raharaha Romy Voos ny filoham-pirenena satria tsy izy no naniraka azy ho any. Ny manodidina ny filoha no manao ny ataony dia izy foana no voatonotonona. Diso matoky olona loatra ny filoham-pirenena ka tsy izy no manao ny fifantenana sy fahendrena fa ilay akaiky azy. Firenena no resahana fa tsy finamanana sy fihaviana. Sarotra be ny mandinika ny politika eto Madagasikara. Esory amin’izay ilay hoe: ny fitiavana no lehibe indrindra, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra
Tanteraka omaly17 ogositra 2023 tao Vatican, Roma ny fihaonana fahatelo teo amin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Papa Ray Masina François,