ireo Antoko sy vovonana politika nahitana ny FTT (Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana) tarihan’Atoa Tahina Razafinjoelina, ny MTS (Malagasy Tonga Saina) tarihan’Atoa Roland Ratsiraka, ny HVM (Hery Vaovao ho an’I Madagasikara) tarihan’Atoa Hery Rajaonarimampianina, ny Tsara Tahafina tarihan’Atoa Paraina Auguste, ary ny MMM (Malagasy Miara-Miainga) tarihan’Atoa Hajo Andrianainarivelo, eo anatrehan’ny toe-draharaha ara-pifidianana ankehitriny. Angatahan’izy ireo ny fahafahana miditra amin’ny Rejisi-pifidianana nasionaly mba hisian’ny fifidianana malalaka, mangaraharaha,… “Izahay antoko politika izay hanolotra kandida amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny 09 novambra, dia maneho ny ahiahihinay mikasika ny fahafahana misitraka ny lisi-pifidianana nasionaly mba ho antoka amin’ny fifidianana malalaka sy madio, ary mangarahara ho an’ny firenena”, hoy izy ireo. Nampahatsiahy, fa araka ny lalàna fehizoro laharana 2018-008 tamin’ny 11 may 2018, mikasika ny lalàna momba ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka, dia nisy ny dingana nataon’izy ireo teo anivon’ny CENI mba ahafahana mahazo izay lisi-pifidianana izay. Voafaritry ny andininy faha-8 sy faha-32 amin’io lalàna io izany, ary voalaza mazava ao anatin’ny lalàna sy tokony ho azo atao taorian’ny 21 jolay 2023, araka ny andininy faha-7 amin’ny fanapahana n°017/CENI/D/2023 tamin’ny 08 jona 2023, hoy ny fanamafisana. Na nisy aza ny fampanantenan’ny CENI ny hampita ny regisipi-pifidianana, dia nisy ny fampiatoana izany, ka nambaran’ireto antoko sy vovonana ireto fa miteraka sakana ny fanomanana ny fiatrehana ny fifidianana 2023. Notsiahivin’izy ireo ny filazana nataon’ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) tao anatin’ny tatitra nataony momba ny fitsirihana ny rejisi-pifidianana (2022-2023) izay naneho fa azo antoka ahafahana manatanteraka ny fifidianana manaraka ny lisitra. Antoka ahafaha-manaiky izany ny fahadiovan’ny lisi-pifidianana izany anefa ny fahafahan’ny mpisehatra voakasika miditra sy misitraka an’izany lisi-pifidianana, ary zava-dehibe raha tena hizotra amin’ny fifidianana malalaka sy mangarahara ary mitovy tantana, raha ny nambaran’izy ireo. Ankoatra ny lisitra, dia angatahan’izy ireo ihany koa ny hamoahana amin’ny antsipirihiny ny “cartographie” na ny fitsinjaran’ny birao fandatsaham-bato rehetra manerana ny Nosy, araka ny andininy faha-125 amin’ny lalàna fehizoro 2018-008. Tena ilaina izany amin’ny fikarakarana fifidianana mba hisian’ny fifampatokisana eo amin’ny mpisehatra rehetra, indrindra fa ao anatin’izao zava-misy sy ahiahy maro samihafa izao, toy ny resaka birao fandatsaham-bato matoatoa, hoy io fanambarana io. Naneho fa manohitra ny mety ho fisiana tetika hafahafa sy tsy fanajana lalàna ataon’ny CENI izy ireo, ary miantso fanaraha-maso sy fahamailoana mba hisian’ny zotram-pifidianana madio. Miantso fangaraharana feno ihany koa mikasika ny tetikasa RPDEM (Renforcement des Processus Electoraux et Democratiques à Madagascar. Manantena ny hisian’ny fandraisana fepetra mahomby mba hisian’ny antoka ara-pifidianana madio, mitovy tantana, ary azo antoka noho izany izy ireo.
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra
Tanteraka omaly17 ogositra 2023 tao Vatican, Roma ny fihaonana fahatelo teo amin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Papa Ray Masina François,