airtel

Politique

18-août-2023

Politique

Romy Andrianarisoa Tsy mbola nisy didim-panjakana nanalana azy…

Sample post image

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

18-août-2023

Mbola any amin’ny 08 septambra ny raharaham-pitsarana, izay heverina fa ho henjakenjana. Nolazaina fa tao anatin’ny fialan-tsasatra nanomboka ny 09 hatramin’ny 22 aogositra. Ny 10 aogositra no voasambotra tany Londres, saingy ny 14 aogositra rehefa noviravirain’ny mpikirakira facebook ny Fanjakana noho iny tranga iny vao namoahana fampitam-baovao fa hoe: esorina amin’ny toerany ary mihatra avy hatrany. Fampitam-baovao na “communiqué de presse” no navoakan’ny Fiadidian’ny Repoblika tao anatin’izany, fa tsy nisy didim-panjakana mazava manamafy an’io nivoaka tamin’ny fomba ofisialy sy nampahafantarina aloha hatreto. Fomba fiasan’ny Fanjakana no mamoaka sy manao serasera izany ao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika, saingy tsy nisy an’io ny fampitam-baovao ny 14 aogositra teo, kanefa nolazaina fa mihatra avy hatrany. Tsara no mampahatsiahy, fa tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra ny 01 martsa 2023 no nanendrena an-dRtoa Romy Voos Andrianarisoa, ka amin’ny alalan’ny didim-panjakana ihany koa no manafoana izany. Manana lanja araka ny lalàna na “valeur juridique” ve ny serasera sy fampitam-baovao? Tsy nisy didim-panjakana milaza ny fanesorana azy nipoitra aloha hatreto ka asa na hamoronana vaovao mitondra ny datin’ny 14 aogositra na ahoana fa hatreto aloha, raha raisina amin’ny lalàna dia mbola Tale Kabinetra ity Rtoa voasambotra tany Londres noho ny fitakiana vola 225 livre sterling na 1 300 000 000 Ar sy fitazonana ny 5% amin’ny fampiasam-bolan’ny orinasa Gemfields ho tambin’ny fanomezana fahazoan-dàlan’io orinasa io hitrandraka harena an-kibon’ny tany. Voalaza fa notanana atao andrimaso ilay tompon’andraikitry avy eo anivon’ny Antenimierampirenana namoaka azy teny Ivato. Tamin’ny naha mpinamana hatramin’izay teo amin’ny roa tonta no nambara fa namoahany an’I Romy Voos Randrianarisoa, fa tsy iraka ofisialy avy amin’ny Antenimiera. “Passeport de service” no voalaza fa nialany teto, izay tsy azo ampisaina, raha tsy miaraka amin’ny “ordre de mission”, izay vao tafavoaka eto. Dia tena tamin’ny nahim-pony tokoa ve no nahafahany nisolo tena ny Fanjakana Malagasy fa tsy misy lehibe mpaniraka? Anarana maro no mety hivoaka aoriana ao fa dia samy miandry ny rehetra!
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap
18-août-2023

Tanteraka omaly17 ogositra 2023 tao Vatican, Roma ny fihaonana fahatelo teo amin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Papa Ray Masina François,

Card image cap