airtel

Politique

03-juil-2023

Politique

5 taonan’ny fitondrana TGV-MAPAR Potika ny toekarena sy ny fiainam-bahoaka

Sample post image

Ambony ambany tanteraka ny toe-draharaha politika sy toekerana, ary ny sosialim-bahoaka eto, ary efa manomboka mitroatra ny sehatra maro.

03-juil-2023

Hatramin’ny raharaham—panjakana mikatso, raha raisina amin’ny tsy nisian’ny fihaonana teo amin’ny governemanta sy ny depiote farany teo, ary misy dikany lehibe ara-politika ny tsy nahombiazan’ny fanonganana ireo Birao maharitry ny antenimierampirenena. Azo itarafana fa efa tsy mitovy hevitra intsony ny maro an'isa ao Tsimbazaza, ary efa tsy mipetraka intsony ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana. Tsy resy lahatra intsony amin’ny lehibeny ny sasany. Heverina mantsy fa tsy mandeha ho azy, fa toromarika avy any ambony ny fanonganana birao maharitra izany, toromarika avy amin’ny antoko, fa mpanatanteraka fotsiny ireo depioten’ny Fitondrana.
SARY : Tsy voarindra ny fiainam-piaraha-monina, mitombo isa ireo mahantra
KRIZIN’ANDRIM-PANJAKANA, MAILO AMIN’NY HO AVY
Mbola voaporofo indray mandeha indray ny ady misy eo am depiote maro an'isa sy ny governemanta, niainga tany amin’ny fitsipaham-pitokisana, mba tsy hilazana fa efa lonilony taorian’ny tolon’ny depiote 73 ny taona 2018 satria tsy ny namono ny voay no niravaka ny vanginy. Tsy manga intsony ny lanitra eo amin'ny fifandraisana, sarotra ny toerana misy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina eo anatrehan’ny krizin’andrim-panjakana. Mety efa sosotra ihany koa ireo depiote ireo satria ny vahoakany mimenomenona sy miha mahantra kanefa 5 taona lasa izay fampanantenana nipoapoaka tahaka ny inona. Efa mikarakara ny ho aviny ny ankamaroan'ireo depiote ireo ary mahalala tsara fa ho sahirana raha mbola hitondra loko volomboasary amin’ny fifidianana manaraka eo. Ataon'ny mpanohitra sy ny kandida mahaleotena tsakinady any fotsiny. Nisy ireo IRD efa niova lasy tanteraka any amin’ny loko na antoko hafa, tahaka ireo miara-dia amin’I Siteny Randrianasoloniaiko, nihena ihany koa ny isa satria efa tsy ao anatiny intsony ny MMM,…
SARY : Mbola tena misolo vava ny vahoaka sy mieritreritra ny manahirana azy marina ve ny depiote ?
TSY ATOKISANA, TSY MAHOMBY, MANAO SORONA FIRENENA
Maro ihany koa amin'ireo depiote ireo no miresaka amin’ny PTF na ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, ka mahalala tsara fa ratsy naoty sy tsy atokisan'izao tontolo izao ity fitondrana ity. Tsy hahazo famatsiam-bola be izany mihitsy fa sombitsombiny mody ambara hoe sosialy sy fanampiana vonjy tavanandro fotsiny. Ara-toekerana sy fitantanana, “Taux de décaissement” ana firenena toa an i Madagasikara ve dia ho 500 tapitrisa dolara isan-taona monja izay tetibolana kandida ho filoha iray amin’io fifidianana ho avy io? Tena mbola latsaky ny vola am-pelatanan'ireo vondron’orinasa mpanefoefo eto toy ny Sipromad, Axian, Filatex, Sodiat,... ka lojika raha hanjakazaka ry zareo satria tena malemy ara-bola ilay fanjakana. Tsy misy ho azy ny fitoniana amin’ny sehatra rehetra satria vahaolana vonjitavanandro na “tip top” foana no atao. Efa sempotra vao mahita vola, na mitrosa aman'olona, na tonga dia manao amboletra tahaka io atao amin’ny CNaPS io. Mbola taratry ny tsy fahaiza-mitantana ny fahafatesan’ny Air Madagascar izay nalevina tanteraka, ny zava-manjo ny Jirama izay vizana sy bokan-trosa hany ka potika hatramin’ny fihariana maro, ary kojika raha mitotongana ny toekarena. Ny tahan’ny fahantrana moa 74,3% ny taona 2017, niakatra 77,4% ny 2020, ary 81,1% ny 2022 raha ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena. Mety hanafosafoso ny 90% amin’izao 2023 izao! Sarotra anefa ny hanaiky ny fahalemena sy hanova famindra, fa mbola be vava ihany anefa ry manam-pahefana, mihevi-tena ho tapi-pahaizana. Be hambo sy tia tena loatra dia ny fiainam-bahoaka sy ny ho avin'ny firenena no atao sorona.
SARY : Sombitsombina famatsiam-bola no mba azo aoriana adihevitra mafimafy ihany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap