Nisy ny fanambarana nataon’ny G5 ahitana ny ny RMDM, PANORAMA, HVM, HIFIM, VPHM sy antoko na vondron’olona hafa ny zoma 19 may 2023 lasa teo tetsy amin’ny Astauria Antanimena, izay mitaky ny hanaovana fikaonandoham-pirenena, ka nanome fe-potoana 15 andro hamoahan’ny Fanjakana ny tetiandron’izany raha tsy izay dia hitarika vahoaka hidina an-dalambe. Nisy ihany koa ny valin-kafatra naely tamin’ny tambajotran-tserasera namaliana an’io, ka nambara fa izany Collectif Task Force izany no nanao ny fanambarana. Tsy fantatra mazava kosa anefa hoe: iza no ao anatin’io, fa mpomba ny fitondrana iray monina any ampitan-dranomasina no isan’ny nanaparitaka azy. Tena misy ve ilay Collectif Task Force sa mitovy amin’ilay filalaovana kaonty fako amin’ny tambajotran-tserasera? “Manoloana ny fikasana hametraka tetezamita na fikaonan-doha nasionaly izay kotrehin'ny mpanao politika sy ireo olom- bitsy mpanohitra sasantsasany ny fitondrana ankehitriny dia manao fanambarana hentitra sy matotra izahay: efa mipetraka ny rafitra sy ny lamina momba ny fifidianana malalaka hahazoan'ny vahoaka maneho ny safidiny izay karakarain'ny rafitra mahaleotena araka ny lalam- panorenana; sy misy krizy politika eto Madagasikara fa olana ara- toekarena sy sosialy no misy izay novesarin'ny toe- javatra nifandimby (Covid-19, rivo- doza, ady any UKraine); fifidianana malalaka hatrehin'ny mpanara- maso iraisam-pirenena sy ny herivelona rehetra misy eto Madagasikara no hotanterahina mba hisorohana ny ahiahy sy ny hosoka; mila fitoniana, firaisankina sy herim-po i Madagasikara mba ahafahany mandroso sy miatrika ny adidiny”, hoy io fanambarana io. Nambara fa isan'ireny ny fandraisana ny lalaon'ny Nosy 2023. Nilaza ho manameloka tanteraka amin'ny endriny rehetra, ny paik'ady hambolena korontanana mba tsy hirosoana amin'ny fifidianana malalaka sy iraisana. Iza marina no manakorontana eto ary inona no tsy handraisana fepetra? Sa efa diso mihorohoro ny Fitondrana ka izay miteny dia hanakorontana foana? Fahita rehefa amin’ny vanim-potoana mafana tahaka izao ny fanaovana serasera samihafa hoenti-maneho fa mbola betsaka mpanohana sy mamim-bahoaka ilay fitondrana mijoro ka asa raha izay tokoa ny ho endriny amin’ny fifidianana?
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra