airtel

Politique

24-avril-2023

Politique

Andry Rajoelina Fandokafan-tena avo lenta, vokatra miiba

Sample post image

Nitarika ny lanonana fanombohana ny tetikasa fitarihan-drano na “pipeline” mirefy 97km avy amin'ny reniranon'i Efaho ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny sabotsy 22 aprily teo.

24-avril-2023

Minisitra 16 notarihin’ny Praiminisitra no nanotrona ny Filoha am-perin’asa. Miala any Efaho ary mipaka hatrany Ambovombe Androy io, mandalo tanàna 60 eo ao anatin’ny distrikan’I Taolagnaro, Amboasary Atsimo ary Ambovombe io, ka mponina miisa 500.000 no hisitraka rano fisotro madio, tany fambolena mirefy 80 000ha no ho voatondraka ary hisy ihany koa toerana fampisotroan-drano miisa 120 ho an’ny biby fiompy. Ity tetikasa ity, izay efa hatrany amin’ny 2020 no niresahany azy sy nilazana fa izao fitondrana izao no hany mahalala sy mijery ny vahoaka any Atsimo amin’ny alalan’io, ka nodiana tsy hita fa efa nosantarin’ny Fanjakana teo aloha mirefy 142km miainga ao Ampotaka mankany Tsihombe, fa ny Fanjakana Rajoelina no nitokana azy tamin’ny jona 2019. Ny an’ny Filoha ankehitriny kosa vao fanombohana dia efa fety be sy kabary politika sy fandokafan-tena mirarakopana. Ankoatra ny lanonana fanombohana ity tetikasa ity, dia nisy ny fitokanana fotodrafitrasa vitsivitsy. Nambara fa “présence de l’Etat” amin’ny alalan’ny fametrahana asa ilain’ny vahoaka sy manakaiky ny vahoaka no nataon’ny Fanjakana Rajoelina hatramin’ny nipetrahany teo tao anatin’ny 4 taona, ka manantena fa tsy ho adinon’ny olona any Atsimo I Andry Rajoelina, fa fitiavana mivaly fitiavana. Asa maro no natao sy vita, asa goavana no natomboka. Nisy ny fanolorana vola 3,498 miliara Ar ho an’ny kaominina maromaro ao anatin’ny Distrikan’Ambovombe Androy, izay nilazan-dRajoelina fa efa ben’ny tanàna izy, ary fantany fa mila fanampiana, mila tohana hanaovana tetikasa. Ny sasany mbola mampanantena fitsinjaram-pahefana fa ny ahy efa fitsinjaram-pahefana tena izy, hoy izy. Sahiny mihitsy no nilaza hoe: “Kaominina tsy handroso intsony, ary firenena tsy handroso miaraka amin’ny Filoha Rajoelina tsy handroso intsony”, hoy I Andry Rajoelina. Ampahafirin’ny vola an’aliny miliara lalaovin’ny Fanjakana foibe moa ny 3,4 miliara omena ny kaominina ary santionan-javatra sa mahazo avokoa ny kaominina 1695 manerana ny Nosy? Tena sahiny ve ny miteny fa mandroso I Madagasikara amin’ity tahan’ny olona mahantra nitombo 10% latsaka kely niainga hatramin’ny nitondrany ny 2019? Ny vidim-piainana sy ny fitotongan’ny sandam-bola? Ny fitotongan’ny seha-pihariana maro, ny fahapotehan’ny làlana, fahafatesan’ny orinasam-panjakana maro,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap