airtel

Politique

29-juin-2023

Politique

Antenimierampirenena Filoha lefitra 2 miampy kestora 2 no kasaina aongana

Sample post image

Raikitra ny fanonganam-panjakana ao amin’ny Antenimierampirenena! Manomboka mifanongana ireo samy voafidy tamin’ny

29-juin-2023

lokon’ny fitondrana noho ny tsy fitovian-kevitra intsony. Nanolotra tolo-kevitra hanonganana ny mpikambana sasany ao anatin’ny Birao maharitry ny antenimierampirenena mantsy ny IRD, izay manamafy ny vaovao notaterintsika teto ny 21 jona amin’ny fisian’ny fikononkononana fanonganana. Tafapetraka ny takarivan’ny 27 jona ampitson’ny fankalazana ny fetim-pirenena ny fangatahana fanonganana ny Kestora voalohany Atoa Jean Michel Henri lany tamin’ny IRD, ny Kestora fahatelo Mamy Rabenirina lany tamin’ny lokon’ny TIM, ny Filoha lefitra avy amin’ny faritanin’I Fianarantsoa Brunelle Razafitsiandraofa IRD, ny Filoha lefitra avy amin’ny Faritanin’I Toliara Rabenirina Jean Jacques IRD, araka ny taratasy fangatahana nalefa tamin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena ny takarivan’ny 27 jona lasa teo. Voalaza fa mpikilavaka sy tsy hita hatrany ireo Filoha lefitra miisa roa ka mamela ny depiote ho kamboty, nambara fa misy manohintohina ny hasin’ny antenimierampirenena sy lasa sakana amin’ny fampiodinana azy,… Nanao sy nametraka io "proposition de resolution" io ny depiote Rajaobelina Lova Moramanga voafidy tany Moramanga, ny depiote Razakandrainy Henri Dominique voafidy tany Sakaraha, ary ny depiote Marco Tsaradia voafidy tany Ampanihy Andrefana. Mafampana indray izany ny ao amin’ny Antenimierampirenena izay hamarana ny fivoriana ara-potoana amin’ity herinandro ity. Midika fa tsy milamina intsony ny fitondrana, ary rehefa zohiana, dia mbola tarazon’ny krizin’andrim-panjakana teo amin’ny Governemanta sy ny antenimierampirenena ihany koa io. Heverina fa toromarika niainga avy any amin’ny Etamazaoro politikan’ny fitondrana ihany koa satria misy amin’ireo no efa karazan’ny mamadika an’i Andry Rajoelina, toa an’Atoa Jean Jacques Rabenirina lasa niara-dia amin’I Siteny Randrianasoloniaiko, Atoa Brunelle Razafitsiandraofa izay efa hatry ny ela no tsy nitsitsy vao misy zavatra tsy mety nataon’ny Fitondrana ary efa nilaza ampahibemaso fa tsy manjary sy tsy mahay raha ity fitondrana ity,… Ny kestora voalohany Jean Michel Henri moa hatry ny ela no nisy ireo andiana depiote toa nanenjika azy na IRD aza izy, indrindra fa taorian’ny raharaha fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Nisy nanatsongoloka hatramin’ny raharaham-pitantanana ny volan’ny Antenimiera. Ny depiote Mamy Rabenirina moa lojika ny fikasana hanongana azy satria avy amin’ny TIM.
MILA NY 2/3 VAO VOAONGANA
Depiote 103 no ilaina raha misy fikasana hanala birao maharitra amin’ny alalan’ny latsa-bato miafina ka andrasana izay hiseho amin’izao fotoana fohy mialohan’ny fifaranan’ny fotoam-pivoriana ara-potoana izao. Ny andininy faha-74 no mamaritra fa ny Filohan’ny Antenimierampirenena sy ny Birao maharitra dia fifidiana ao anatin’ny taom-piasana rehetra, fa azo atao ny manala azy ireo raha misy fahadisoana lehibe, ka ny 2/3 amin’ny solombavambahoaka no mandany izany amin’ny fivoriana itambaram-be. Miha mafana ao Tsimbazaza fa ny azo hamintinana azy dia mihamafy ny ady eo amin’ny Fitondrana Rajoelina sy ny zaza tinaizany ary miha mazava hatrany izao fa miady an-trano ny samy mpanampahefana sy ny samy mpitondra. Inona moa no fampandrosoana azo anteniana amin’izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap