airtel

Politique

20-juil-2023

Politique

Antoko Arema Nahatety distrika 90 tao anatin’ny 2 taona

Sample post image

Tamin’ny 8 jolay no niala teto Antananarivo niazo ny faritra Menabe ireo delegasion’ny Antoko Arema hanohy ny fitetezam-paritra.

20-juil-2023

Nifanakalo hevitra tamin’ireo mpiatroka tao Mahabo sy nanao fanentanana Tsiribihiina ary Morondava, ka ny 18 jolay no namaranana ny dia tao Ambatolampy, raha ny tatitra. Toy efa mahazatra ny antoko Arema dia manatanteraka ilay fiteny hoe « izay mahavangivangy hono tian-kavana » ireo mpitarika ny Antoko. Maro ireo fitsidihana nataon’ny Antoko izay tarihin’ny Sekretera nationaly Anick Ratsiraka tao anatin’ny 2 taona. Efa distrika 90 izao no vita ary nilaza io Sekretera Nasionalin’ny Arema io, fa tsy maintsy hovitaina avokoa izany. Ankoatra izay, nanolotra ny volavonan-dalam-pifidianana teny amin’ny Antanimierampirenena ny antoko Arema herinandro lasa izay. Ho fanatsarana ny zotram-pifidianana no tanjoana, hoy ny sekretera nasonalin’ny antoko. Fandaminana ihany koa fa tsy fanemorana ny fifidiana akory no tanjona. Hatao manara-penitra ny fifidianana ary hanaraka ny toetry ny andro ihany koa amin’ny fampiasana ny karapanondro Biometrika sy ny “machine à voter”. Azo atao tsara ny manatanteraka izany fanatsarana izany ao anatin’ny fotoana fohy araka ny fanazavana nomen’ireo teknisiana miara-miasa amin’ny antoko. Mombany petra-bola na “caution” ho 200 tapitriza Ar, nilaza ny Arema fa toa lasa natao hoan’ny manam-bola ny fifidianana eto Madagasikara matoa natao midagnana tahaka izao ny petra-bola ho firotsahan-kofidiana. Raha izay anefa no heverin’ny mpitondra fa mety dia nilaza fa tsy mametraka olana amin’izany ny Antoko. Tonjona apetraka amin’izao, hoy Rtoa Anick Ratsiraka, ny hanatanteraka ny Hafatra nomen’ny filoha Ratsiraka tamin’ny fifidianana 2002. « Masina sy miavaka amin’ny firenena rehetra ity Nosy ity, koa andeha ary isika hiaraka hifarimbona amin’ny fampandroasoana azy tsy misy tomika. Mba ahatonga azy ho reherehantsiaka , ka ho irian’ny hafa fa tsy haniry ny hafa intsony » vitantsiaka izany, hoy Rtoa Anick Ratsiraka niantso ny herivelona rehetra.
Toky R

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap