airtel

Politique

02-juin-2023

Politique

Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»

Sample post image

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

02-juin-2023

fa hatramin’ny nahazoantsika fahaleovantena dia tsy ny sitrapon’ny malagasy no natao teto fa ny an’ny avy any ivelany. Rehefa hoe hijery ny toe-draharaha politika eto ny SADC, hoy izy, dia mampalahelo fa ireo mpitondra nifandimby teto foana no antsoina. Aza adino anefa fa efa nalohan’ny vahoaka ianao matoa tsy anaty fitondrana intsony. Manohana ny hevitr’ireo raiamandreny ara-panahy dia ny FFKM hanao ny fikaonandoham-pirenena izahay. Aleo any no resahana izany sata na «charte» izany fa tsy olona vitsivitsy. Tsy an’olona vitsivitsy na karazan’antoko vitsivitsy i Madagasikara. Nanankorontana teto daholo ireo milaza azy ho antoko politika goavana ireo. Izao dia miantso indray ny FES dia antoko politika miisa 10 no hanao izany hoe «charte de bonne conduite». Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto. TIM sy TGV ihany no manana olona amin’ireo fa ny antoko sasany efa misy tsy hita. Inona moa no mpikambana ifoton’ny HVM? Manam-bola izy dia izay! Tsy misy afa-tsy loholona sy loholona teo aloha dia depiote no ao. Ny an’ny AVI moa dia Norbert Lala Ratsirahonana ihany. Aiza izao izany Leader Fanilo izany? Ny RDS antsoina foana i Fetison Andrianirina fa aiza no mivondrona izany? Tsy misy any ifotony izany. Ny MTS tsy misy afa-tsy Rolland Ratsiraka. Tsy misy afa-tsy ireo ve izany no lohandohany? Fanaovana tsinontsinona ny antoko politika hafa izany ary izay no mahatonga ny fitoniana politika tsy hisy eto Madagasikara. 200 isa mahery ny antoko politika eto Madagasikara ka angatahana ny minisitry ny atitany amoaka hoe ireo no efa nanao fanambarana ny fisiany. Tsy resaka kaongresy ihany no tokony takiana aminy fa hoe aiza no misy azy? Nametraka ny anarany tany amin’ny CENI ny Natiora fa ny mahagaga dia tsy mba voaantso mihitsy rehefa misy fivoriana any, hoy hatrany ny antoko politika Natiora.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap