airtel

Politique

29-juin-2023

Politique

Antoko politika Otrikafo «Niharihary ny mbola maha zanatany Frantsay antsika»

Sample post image

Tamin’ity taona ity isika vao nahafantatra fa Frantsay ny mpitondra antsika fa ny antoko politika Otrikafo, hoy ny filohan’izy ireo,

29-juin-2023

Elia Rabevahiny, tao anatin’izay 63 taona izay dia nanamafy foana fa tsy mbola manana izany fahaleovantena izany isika. Taloha, ho an’ny efa zokinjokiny, hoy izy, mahafantatra tsara ilay fomba fiteny hoe mbola sarin-dokotra ilay fahaleovantenantsika. Mbola mitana izay ny Otrikafo hatramin’izay ka hatramin’izao. Vao mainka nanamafy izany ny tranga mialoha kelin’ny 26 jona teo ny fahafantarana fa kay tsy malagasy ny filohantsika fa Frantsay dia vao mainka izany manamafy fa tsy mbola misitraka izany fahaleovantena izany isika. Nisy ny adihevitra hoe tsy tokony i Andry Rajoelina izay Frantsay no hisafo ny andian-tafika. Heverina ho toy ny hevitra ohatran’ny hevitra rehetra izany. Ny mpitondra fanjakana naneho fa nitotorebika ny vahoaka malagasy, feno hipoka ny kianja Barea Mahamasina. Izay ve no manala ny maha frantsay ny filoha? Tsia no valiny. Ao anaty fahantrana tanteraka ny vahoaka Malagasy. Zara aza misy andro indray hanadinoany izay fahasahiranana izay. Tsy dia mahagaga raha feno toy ireny ny kianja satria fety. Handoa vola aza atao ka mainka misy bojo! Tsaroantsika fa nisy fampiasam-bola na «investissement» nataon’ny mpitondra tamin’ny taon-dasa mba hamenoana ny kianja Barea ny 26 jona 2022. Tsy afaka hiteny isika hoe nisy na tsia izay tamin’ity indray mitoraka ity fa ny tiana ambara dia hoe fomba fanao izany rehefa misy hetsika na zavatra kely mba hahafeno hipoka kianja. Tsy voninahitra ho an’ny mpitondra fanjakana ny fahafenoan’ny kianja Barea. Marika iray maneho ny fahasahiranan’ny vahoaka malagasy ireny. Tsy azontsika adinoina koa anefa ny vokatry ny fanentanan’ny mpitondra fanjakana hanangan-tsaina fa vitsy dia vitsy ireo tokantrano nazoto nanangana izany. Midika izany fa miezaka mitady ny fomba hanehoany ny tsy fahafaliany amin’ny mpitondra fanjakana koa ny vahoaka malagasy. Mbola ezaka be ny hananan’i Madagasikara fahaleovantena. Vao mainka niharihary ny mbola maha zanatany Frantsay antsika tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy «gouverneur noir» ohatry ny fiantson’ny Frantsay ny mpitondrany aty Afrika intsony ny antsika fa tena Frantsay mihitsy ka mbola ezaka be ny hahazoantsika ny tena fiandrianam-pirenena. Tsy tokony hisy handrimandry manana aretina isika, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap