airtel

Politique

07-août-2023

Politique

Antoko politika PDCM Tsy mankasitraka ady an-trano

Sample post image

Ho fampiharana ny lalàmpanorenana mba tsy ho voafafa ao amin’ny rejisitry ny minisiteran’ny atitany ny antoko dia nisy ny fanavaozana ny birao hiasa mandritry ny 5 taona (2023-2028)

07-août-2023

eo anivon’ny antoko politika PDCM na antoko demokraty Kristianina eto Madagasikara. Ny filoha teo aloha Rapetera Désiré ihany no mbola nametrahana ny fitokisana ho filohan’ny antoko, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo ny sabotsy teo. Manan-karena i Madagasikara nefa mahantra ny malagasy, hoy ny antoko. Olom-bitsy no misitraka ny harena misy eto amin’ny tanindrazana. Tokony ny malagasy no hifehy ny toekarena fa tsy ny gasy vitsy sy vahiny. Ireo toekarena tokony ho fehezin’ny malagasy na harena an-dranomasina, harena ambonin’ny tany, harena ambanin’ny tany. Ankoatran’ny fampiakarana ny karaman’ny mpiasa dia ilaina ny fanaovan’ny mpitodra trano fonenana ho zakan’ny fahefa-mividy, fanatsarana ny lalàna rehetra, ireo no vinam- piarahamonina takian’ny PDCM. Ny fahazoan’ny kitapom-bolam-panjakana amin’ireo vokatra mandritra ny 5 taona, fitantana ny vola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Ny fahasalamana tokony ho mamaimpoana, fanomenazana antoka ny fampianarana ho mamaimpoana avy amin’ny kitapom-bolam-panjakana, fananganana orinasa mba hananan’ny vahoaka asa mahavelona azy, fanampiana ny tantsaha, omena tany masomboly, trano fonenana amin’ny ofany mora, famitana ny lalana rehetra, fokontany kaominina, distrika, faritany, fifandraisan’I Madagasikara amin’ny sehatra iraisampirenena. Ny angatahana amin’ny CENI dia ny fahaleovantenany. Ny PDCM tsy mankasitraka ady an-trano. Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalalam-pihavanana. Ny fahamarinana no manandratra ny firenana. Miantso ny Malagasy rehetra tsy hanamari-tena. Ny marina hamarinina ary ny diso dia disoina. Handray anjara amin’ny fifidianana rehetra ny PDCM, hoy hatrany ny fanambarana.
J. Mirija
Légende: Ny filohan’ny PDCM
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap