ka miantso ny herivelona rehetra, indrindra ireo kandida tamin’ny 2018 hiara-hanao ny dingana fanilihana ity Filoha ankehitriny ity izy ireo, hanao fitoriana eny amin’ny HCC,… “Tsy mbola fahita eran-tany hatramin’ny nisian’ity tany ity afatsy tamin’ny fanjanahan-tany ny hoe: olom-pirenena avy amin’ny firenena hafa no mitondra ity firenena ity. Zava-doza tsy lazaina akory fa “haute trahison” fa efa tena fisolikiana avo lenta na “escroquerie” ka miantso am-panajana ireo kandida rehetra tamin’ny 2018 hivory ny zoma izao amin’ny 10 ora, hanao taratasy miaraka ho fitoriana eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana mba hanilihana an’I Andry Rajoelina, izay fanta-poko fantam-pirenena ary misy porofo fa mpisoloky”, hoy ny RMDM tamin’ny alalan’Atoa Jean Louis Rakotoamboa. Miantso ny HCC izy ireo handray fanapahan-kevitra hentitra hampitsahatra haingana dia haingana an’I Andry Rajoelina amin’ny maha Filoha Malagasy azy satria amin’izy ireo dia olom-pirenena Frantsay I Andry Rajoelina fa tsy Malagasy. “Anton’io ny hialana amin’ny faharotehan’ny firenena tanteraka ka hahatongavan’ny tsy fankatoavana intsony avy amin’ny vahoaka na “désobéissance civile” eto Madagasikara”, hoy hatrany Atoa Jean Louis Rakotoamboa. Miantso ny mpanao politika rehetra tsy hankanavaka hiara-hivory ny alarobia 28 jona izao amin’ny 10 ora etsy Bel’Air hifandinika amin’izay tokony hatao amin’ny firenena ihany koa izy ireo, izay naneho fa tena latsaka an-davaka I Madagasikara, solokian’ny sasany, izay olom-pirenena sasany no mitondra firenena.
“TSY TOKONY HISAFO NY TAFIKA, MIANTSO NY FITSARANA HAMPISAMBOTRA”
Nanitrikitrika kosa Atoa Tabera Randriamanantsoa fa famadihan-tanindrazana goavana na “haute trahison” no nisy, nofitahana ny vahoaka, nofitahana ny tafika, nofitahana ny fitsarana,… satria ny Filohan’ny Repoblika dia Filoha farantampon’ny foloalindahy sady Filohan’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara. Niantso ny miaramila sy ny tafika tsy hankatoa ny baikon’Atoa Andry Rajoelina intsony noho izany ny tenany, ary tahaka izany ihany koa ho an’ny mpitsara. Nambarany, fa tsy tokony hanao fisafoana ny tafika amin’ny 26jona satria vazaha, ka ny Lehiben’ny Etamazaoro no tokony hanao izany, fa tsy vazaha. “Miantso ny filankevitra ambonin’ny mpitsara handinika haingana ka hamoaka didy fampisamborana an’io Filoha io satria nanao famadihan-tanindrazana goavana ary namitaka anareo satria izy lehibenareo”, hoy hatrany ity Mpikamban’ny RMDM ity. Tonga hatramin’ny fiantsoany ny vahoaka tsy hanaiky intsony an-dRajoelina moa ny fanambarany. « Reraka fotsiny isika nangataka sy nitaky ny “îles Eparses”, fa na ny Filohantsika aza vazaha, maty momoka ny ady sy tolona tamin’ny 1947, ary tsy mahagaga raha izao ny fahantrana sy fahapotehan’ny firenena satria tsy raharahan’ny vazaha ny vahoaka Malagasy, fa ny tombotsoany no jereny », hoy izy. Andrasana izay ho setriny sy ny ho tohiny, fa raha tarafina amin’io fanambarana omaly io, dia efa misy endrika fiantsoana ny tafika, ny fitsarana, ny vahoaka hikomy amin’I Andry Rajoelina. Ho tonga hatraiza ny RMDM sy ireo ny mpiara-dia aminy satria efa azo an-tsaina ihany ny setriny avy amin’ny HCC izay 90% raha kely ny herijika handavany ny fitoriana? Hiverina ve ny sary tamin’ny 2018 toy ny nahazo an’Atoa Hery Rajaonarimampianina ve ?
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra