depioten’I Toliara I iny, fa banky ropitra na “faillite” ny Fanjakana. Misy mpahay toekarena malaza efa nilaza ihany koa fa efa tafiditra ao anatin’ny “cessation de paiement” na tsy fahafahana mamoaka vola firy intsony ny Fanjakana. Tsy tena mitondra fanazavana manazava ny zava-misy kosa ny mpitondra eo anatrehan’ireny, fa toa minia mipirina. Ny zava-mitranga aloha dia toa manamarina an’izany: efa hiditra ho iray ny olana ara-tsolika ho amin’ny fampiodinana ireo toby mpamokatra soliky ny Jirama. Ny any Mahajanga izao voalaza fa anatin’ny 4 nanomboka ny alarobia teo, dia 12 ora hatramin’ny 3 andro ny fahatapahana mifandimby. Ny eto Antananarivo niainga adin’ny roa sy sasany saingy efa any amin’ny adin’ny dimy miakatra amin’izao fotoana izao. Tsy ny solika no tsy misy fa ny vola hividianana azy. Misy ny fandoarana volam-panjakana izay toa fomba fiasa ny maka any amin’ny FR (Fonds Routier), CNaPS,… saingy mety efa manahirana.
MIANDRY ILAY 100 TAPITRISA DOLARA
Porofo iray mivaingana ihany koa ilay tsy fitazonana intsony ny karama farany ambany ho 250 000Ar satria tsy mety mandoa an’ilay 12 000Ar intsony ny Fanjakana,… « Efa anatin’ny « quasi cessation de paiement » na banky ropitra ny Fanjakana, ka ny làlan-tokana mba hanalefahana ny fidarabohana ara-tsosialy sy ara-toekarena tanteraka (fidangan’ny fidim-piainana goavana, delestazin’ny jirama, fitotonganan’ny Ar, tsy fandoavana ny volan’ireo nanao asa tamin’ny tsenam-panjakana, ary mety ho tonga any amin’ny tsy fahalovana ny volan’ireo mpiasam-bahoaka sivily sy miaramila) dia ny fanampiana ara-bola na « aide budgétaire » 100 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena izay misy fepetra miaraka aminy, raha ny fanehoan-kevitry ny mpahay toekarena Serge Zafimahova. Any amin’ny 5 jona anefa vao tena handinika ny pitsopitsony momba an’io ny Banky Iraisam-pirenena, ary raha tsy misy ny fiovana dia any amin’ny faran’ny volana jona no hankatoavina izy io. Ny krizy ara-toekarena sy sosialy no mety hizotra any amin’ny fipoahana politika, ary betsaka ny mpandinika no maneho fa feno no tondro mety hisian’izany. Miankina amin’ny fahendren’ny mpitondra ankehitriny io sisa fa raha izao no mbola hisy hamboletra sy fanaovana kajy politika maloto ara-pifidianana dia asa izay mety hiseho eto ?
Ezahina takonana amin’ny serasera sy fihetsiketsehana sisa, toy ny hoe: Filoham-pirenena nahazo “Prix Boubacar Ndiaye, fizarana taratasy fifanarahan’asa sy bisikileta ho an’ny mpampianatra, fihetsiketsehana be rehefa misy fitokanan-javatra, fa raha tarafina amin’ny zava-misy dia efa tena rendrika ilay fitondrana.
Legende : Mampametra-panontaniana indraindray hoe mbola misy mpitondra ihany ve teo ?
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra