airtel

Politique

03-juil-2023

Politique

Christine Razamahasoa Miantso ny mpanao politika hanao ny tsara sy ny marina

Sample post image

Nifarana ny 30 jona 2023 tamin’ny 11 ora alina ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena ho an'ny taona 2023.

03-juil-2023

Isan’ny nanamarika izany ny tsy fisian’ny fanintsiana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFR), ny tsy fahatanterahan’ny fifanatrehana tokony ho nametrahan’ny depiote fanontaniana nyy governemanta, ny fanonganana mpikamban’ny birao maharitra sasany,… Nambaran'ny filohan'ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine nandritra ny lahateniny fa famaranana, fa tsy avy amin’ny solombavambahoaka ny tsy nahatanteraka ny fametraham-panontaniana ny Governemanta. “Ialana tsiny eto, fa tsy avy aminay na avy amin’ny solombavambahoaka no tsy nahatontosa izany. Tsy misy tombony manokana ho an’ny antenimierampirenena fa izahay aza dia tena diso fanantenana ihany koa satria mba nanan-kambara mihitsy, ka ialana tsiny tamin’ny tsy nahatontosana izany”, hoy izy. Minisitra roa moa no voalaza fa niserana teny Tsimbazaza. Nahitsy izy nilaza fa mila mandray andraikitra ny governemanta satria mampikaikaika vahoaka ny tsy fandriampahalemana etsy sy eroa. Misy distrika sasany aza dia mihantsy ny zandary ny dahalo, ka mila mandry ny tany sao hanaratsy endrika ny fifidianana. Tahaka izany ihany koa ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny tokony hanajana ny fahaleovan-tenan’ny Fitsarana, ny olan’ny jirama izay tsy voavaha na dia efa nolanin’ny solombavambahoaka aza ny famatsiam-bola entina hanampiana izany orinasam-panjakana izany sy ny lafin-javatra maro hafa mahakasika ny fiainam-bahoaka. Mahakasika ny fifidianana, niantso ny rehetra hiandry am-pitoniana ny didim-panjakana ahafahana manatanteraka izany ny rehetra. Naneho fa misy fanantenana ny hisian’ny famatsiam-bolan’ny mpiara-miombon’antoka. «Miantso ny mpisehatra ara-politika rehetra hanao ny tsara sy ny marina satria mandalo ihany ny fahefana. Na inona na inona miseho, ny aoka ho fantatsika, dia fifidianana ihany no hiafaran’ny raharaha raha mbola tany demokratika no hiafarany”, hoy ny hafatra politikan’io fiilohana andrim-panjakana io. Aminy, fotoana hamoahana ny lalàna hametra ny vola ampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra izao. “Ny atahorana mantsy dia mety tsy ho ny hevitra na fandaharan’asa intsony no handresen-dahatra sy antoky ny fahalaniana fa zavatra hafa, raha ny hita tato ho ato, fa ny vola mihitsy no akasokasoka”, hoy izy. Raha tsiahivina, tamin’ny 2018 dia nampiady hevitra ny resaka nivoaka fa 192 000 000 tapitrisa dolara no nampiasain’ny kandida Rajoelina. Tsy izy ve no iantefan’ny fantsin-dRtoa Christine Razanamahasoa voalohany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap