airtel

Politique

01-août-2023

Politique

Dany Rakotoson “Very famatsiam-bola maro vao tsy manao fifidianana eo”

Sample post image

Tontolo ipetrahan’ny tsy fifampatokisana ankehitriny no misy eto Madagasikara raha politika no resahana, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson.

01-août-2023

Raha iresaka fotsiny ny tarehimarika nomen’ny CENI isika, hoy izy, dia lasa mipetraka ny ahiahy. Na dika mitovina kara-panondro aza eto mila ilaharana sy voamarina na “légalisé” nefa dika mitovy na “photocopie”. Lasa mampiahiahy daholo ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra. Ny fitondrana efa nanomboka ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoanan’ny hatramin’ny taona 2018. Hitantsika ny zava-misy fa tsy tena namaly loatra ny filaminan-tsaina, fiadanana, fiharian-karen’ny firenena. Fotodrafitrasa lasa werawera fotsiny tsy mamaly ny tena filàna no hita. Raha ny fampanantenana sy vina napetrak’izao fitondrana izao dia tokony ho efa firenena faran’izay mandroso i Madagasikara ankehitriny. Anjarantsika no mijery izay kandida tena hamaly ny filàntsika. Ny resaka tetezamita fandaniam-potoana. Be dia be ny fihoaram-pefin’ny fitondrana ankehitriny izay naha very hasina ny antsoina hoe fitondram-panjakana. Nanomboka tamin’ny resaka “bonbon sucette” sy ny tariny io. Mitantana firenena izy. Anatiny ny fikarakarana fifidianana. Nametraka LFR na tetibola mifandraika amin’izany izy. Nanao ny asany ny CENI. Miova ny fomba fijerin’ny sehatra iraisampirenena vao tsy atao io fifidianana io. Fantatr’izao fitondrana izao fa be dia be ny famatsiana ara-bola avy any amin’ny firenen-kafa tsy ho azony intsony vao tsy ataony io fifidianana io. Izao aza efa hitantsika fa nisy firenena eoropeanina niala an’i Madagasikara mihitsy. Tsy manan-tsafidy fa tsy maintsy manao fifidianana ity fitondrana ity raha tsy hoe hanova rafitra hanao ny antsoina hoe “monarchie parlementaire” na fitondrana mpanjaka angaha, araka ireny toetrany niaraha-nahita tamin’ny resaka zom-pirenena na “nationalité” ireny. Very famatsiam-bola be dia be vao tsy manao fifidianana eo, hoy hatrany ity mpandinika raharaham-pirenena ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap