airtel

Politique

27-avril-2023

Politique

Depiote Keron Idealson «Ambovombe hatraty Andranovory no tena mijaly rano»

Sample post image

Tsy vao androany ny olan’ny rano any atsimo ary tsy vao izao fitondrana izao koa no nanana tetikasa mikasika famatsiana rano any amin’ny tapany atsimon’ny nosy,

27-avril-2023

hoy ny depiote voafidy tao Ampanihy Andrefana, Keron Idealson. Ambovombe hatraty Andranovory no tena toerana mijaly rano raha aty amin’ny tapany atsimo fa tsy voakasika i Taolagnaro, hoy izy. Ambovombe manokana moa no voakasik’ilay tetikasa «Pipeline» na fantsona hamatsian-drano. Fantatra hatramin’izay ao fa tany mafana, lali-drano, tsy misy orana, maina, tsy dia tena voakajy loatra raha ny fiovaovan’ny toetr’andro ny rotsak’orana any. Tsy voafehy izany ny rano. Lavitra rahateo ny ranomasina. Very an-javony foana ny tetikasa tany aloha. Izao fitondrana izao aloha no hita raha nanao fanamby hoe io fa manomboka hitarika rano avy aty amin’ny faritra Anosy ho aty Ambovombe. Mandeha amin’izay ny fanatsatsoana hoe efa ho tapitra ny fotoam-piasana, kely ny fantsona. Tsy kely izany ny fantsona. Tena lehibe ny fantsona. Avy tany izahay. Raha ny fanazavan’ny tekinisianina dia io fantsona io no fampiasa amin’ny tekinolojia avo lenta indrindra fampiasa ankehitriny satria raha ny fanazavana dia maharitra hatrany amin’ny 150 taona izany. Tsy dia any intsony moa no ijereko azy fa hoe efa misy orinasa hanao azy iny. 97km no naninona no hoe natao teo? Mipetraka koa ny hoe ho tokanana hono io siniben-drano na «Château d’eau» be io. Tsy ho tokanana fa eo izany no hoe handalovan’ilay fantsona. Efa nanao antoka, velirano ny filoham-pirenena hoe tsy maintsy vitaina io. Herintaona latsaka ny faharetan’io asa io. Mandeha izy ao fa afaka mamoaka vaovao foana koa isika raha mikatso ilay izy. Nampanomboka an’io izahay tany dia anjarantsika ny manara-maso hoe fihetsiketsehana ve ilay tao sa tena asa fa izahay aloha nahita azy tao hoe io amin’izay fa mba misy bainga mivadika mikasika io tetikasa io. Tsy fantsona ho tsentsefana trozona akory io ka hiadian-kevitra hoe toa kely na lehibe. Fantsona miisa 2, raha ny fanazavana, no miaraka atao. Ny iray ho an’ny rano fisotro. Ny iray ho an’ny fambolena sy biby fiompy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap