ary nanara-maso ny fotodrafitrasa natao ny depiote Todisoa Andriamampandry voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo. Efa ho vita ny nangatahan'ny mponina teto Ambodihady izay nampanantenaina azy ireo fa hatao, raha ny fanamarihana. Miangavy ny mba hikojakojaina ny fotodrafitrasa rehetra izay natao kosa ity olom-boafidy ity, izay izy tenany mihitsy no miditra an-tsehatra miara-mitakosona amin’ny rehetra amin’ny fanamboarana. Maro ny asa vita fa mbola maro ihany koa no hiarahan-tsika manantanteraka ary tsy ho diso anjara ny fokontany rehetra, hoy hatrany depiote Todisoa Andriampandry, izay nanamarika “tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy”. Maneho fankasitrahana azy hatrany kosa ireo mponina satria ny fokontany 31 tsy misy tsy mahazo tombotsoa, raha ny fanamarihana. “Rehefa manao dia tena manao fa tsy potipotiny, tsy sasatra mihintsy fa midina eny ifotony. Tsy mpanao làlana fa mpanao lalàna fa ankasitrahana foana ny fidirana an-tsehatra hanasoa vahoaka”, hoy ny olona. Tsy resaka làlana ihany moa no ahafahantarana ity depiote ity, fa ny fanofanana olona hanao asa fihariana toy ny fanamboaran-tsavony, ny fanofanana ny tanora amin’ny teny vahiny, ny tontolon’ny fanatanjahantena.
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra