Lalana rarivato na “pavé mirefy 1km no atao teto, ary mandeha an-tsakany sy an-davany ny fanatanterahana, raha ny fizotrany eny an-toerana. Angady nananana sy vy nahitana an’izany ny depiote Todisoa Andriamampandry voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-6 eny Ambohimanarina. Nisy ny fidinana ifotony nataony niaraka tamin’ireo fokonolona nanara-maso ny asa tamin’ny fiandohan’ny herinandro ity. “Marihina fa efa fampanantenana nomena tamin’ny vahoaka ny fanamboarana an’ity lalana ity làlana ity, ka manatanteraka izany isika izao”, hoy ny Depiote Todisoa Andriampandry. Tsy vao sambany io, fa efa nahazo ny anjarany ny fokontany Ambaravarankazo, Ambodihady Ambohimanarina,… Mbola ho avy ny an’ny fokontany hafa fa aza manahy, hoy ny Depiote Todisoa Andriamampandry, izay nanipika hatrany, fa tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy. Nankasitraka hatrany ny ezaka ataon’ity depiote sady mpanao lalàna no manao lalàna ity kosa ireo mponina, ary misy mihitsy no maneho fa raha tahaka izao avokoa ny olom-boafidy, mandroso I Madagasikara. Ankoatra ny tetikasa làlan-kely moa, dia misy ireo asa sosialy samihafa ataon’io Depiote io, ka isan’izany ny “cours” maimaimpoana ho an’ireo hanala fanadinam-panjakana BEPC sy Bakalorea hanomboka ny 03 jona izao.
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra