airtel

Politique

20-juin-2023

Politique

Depiote Velomahazo Patrice Ampangain’ny Zanak’Antsalova ho tsivalahara

Sample post image

Ampangain’ireo Zanaky ny distrikan’Antsalova ho mampahory vahoaka amin’ny alalan’ny kolikoly sy fanaparam-pahefana ny Depiote voafidy tany an-toerana Atoa Velomahazo Patrice (IRD).

20-juin-2023

Nambaran’izy ireo, fa hidiran’ity solombavambahaoaka ity avokoa ny raharaha izay mandeha ao amin’ny distrika. Ampahany amin’izany araka ny: fanerena ny olona hihinana rà tamin’ny tsidika izay natao ny 8 jona teo, izay tsy olana raha nifanarahana, ary misy tsy manaiky izany; ny dahalo niova fo hitakiana 1 tapitrisa Ar. Fitakiana vola 16 tapitrisa Ar tao Bemana tamin’ny lehilahy antsoina hoe: Lemana, tsy raikitra afak’omaly, ary noterena omaly. Olona antsoina hoe antsoina hoe: Sily nahatrarana ombin’Atoa Tsiavota, norasaina ny omby, nisy 22 no very, ka rehefa hanao raharaham-pihavanana, dia arovan’ingahy depiote ilay nangalatra. Nisy ady tany tany amin’ny fokontany Masama Kaominina Masoarivo, nalamin’ny fiarahamonina, saingy tsy neken’ity depiote ity, nosamborin’ny miaramila sy nampandadizina I Zafinely sy ny rahalahiny voakasika ny raharaha, notifirina natao “au poteau” ary nolazaina fa dahalo tamin’ny fihetsika namboamboarina nasiana moara niaraka taminy,.. Rehefa misy zavatra tian’ny solombavambahoaka dia tereny ho amidy aminy na alainy tsotra izao, hoy hatrany ny fanamarihana. Nambaran’ny zanak’ity distrika ity fa tena mandoto ny endriky ny Fanjakana ny zavatra ataon’ity deppiote ity noho ny fanamparam-pahefana diso tafahaoatra izay ataony. Tsy misy tsy mihorohoro aminy ireo mpiasam-panjakana satria fony izy vao lany solombavambahaoaka dia efa nanao vava tamin’ireo izay heveriny fa tsy mitovy hevitra aminy ka nolazainy fa rehefa tsy mifanaraka aminy dia afindra toerana. Voalaza fa efa nisy ny lehiben’ny distrika nafindrany, teo ihany koa ireo delegem-panjakana miisa telo . Mirehereha fatratra ao amin’ny distrika izay nahalany azy ity, fa voafehiny avokoa na ny mpitandro ny filaminana, lazainy fa voabaikony hatramin’ny « helycoptère » kanefa dia anjakan’ny tsy fandriam-pahalemana tanteraka ny any antoerana amin’izao fotoana izao. Voalaza fa efa maro ny fitoriana izay nataon’ireo olona niharan’ny antsojay. Efa misy fitoriana mipetraka eny amin’ny fitsarana, ny PAC fitsarana miady amin’ny kolikoly, ny ao amin’ny sampan-draharaha mandray ny fitarainana eo anivoan’ny fiadidiana ny repoblika , hatrany amin’ny antenimieram-pirenena kanefa hatramin’izao dia tsy misy mivaly ireny rehetra ireny. Tsisy olom-boafidy mbola nanao tahaka an’io ohatr’izay tao anatin’ny distrikan’Antsalova, mandoto ny fitondram-panjakana, fianankaviana maro no very vola sy maty, hoy ireo zanak’Antsalova, izay milaza fa ampy izay.
MIANTSO FANALANA NY ZO TSY AZO HENJEHINA
Efa nisy ihany koa ny fihaonan’ireo olobe avy any Antsalova tamin’ny filoha lefitra vitsivitsy tao amin’ny Antenimieram-pirenena ka nilazan’izy ireo fa efa misy ny fangatahana ny fanesorana ny «Immunité Parlemantaire » saingy tsy misy mpanao sonia izany hatramin’izao . Miantso ny filohan’ny antenimieram-pirenena araka izany ireo vahaoakan’Antsalova ireo mba hijery akaiky ity raharaha ity ary hiaino ny antso vonjin’izy ireo. Manaitra ny filoham-pirenena ihany koa mba handray andraikitra haingana.
Légende : Ireo zanak’Antsalova nampita vaovao tamin’ny mpanao gazety omaly
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap