Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara tamin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny Masoivoho vaovaon'ny Fanjakan'i Arabie Saoudite, Andriamatoa Fahd Abdullah Fahd Aleisa. Samy naneho ny fahavononany ny roa tonta nandritra izao fihaonana izao ny hanatsara hatrany ny fifandraisana ara-pirahalahiana sy hanamafy ny fiaraha-miasa efa misy eo amin'i Madagasikara sy Arabie Saoudite, hoy ny tatitra. Isan’ireo firenena manan-karena ara-tsolika, ary sokajiana ho isan’ny firenena tena manam-bola I Arabie Saoudite. Nanatitra ny taratasy manendry azy ihany koa ny Ambasadaoron’ny Repoblikan'i Congo Atoa Serge Bounda. Tsy vaovao amin’I Madagasikara izy io, fa efa solontena maharitry ny FNUAP teto, raha ny fanamarihana. Noresahana ireo sehatra hahafahana manatasara sy manamafy hatrany ny fiaraha-miasa. Anisan'izany ny tontolon'ny fandraharahana, ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampiasana angovo azo havaozina, ny fiarovana indrindra ny lafiny fiofanana sy fifanakalozana traikefa. Efa maro tokoa ny terantany Congolais no niofana tao amin'ny akademia miaramila ao Antsirabe ary naneho ny faniriany ny firenena roa tonta ny hitohizan'ny fiaraha-miasa eo amin'izay sehatra izay, hoy ny tatitra. Teo ihany koa ny Masoivoho vaovaon'i Fanjakan'i Belgique, Andriamatoa Peter Maddens, ka voalaza fa anisan'ireo seha-piaraha-miasa eo amin'i Belgique sy Madagasikara ny sehatry ny angovo toy ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro any Ambilobe sy Nosy Be izay efa am-perinasa tanteraka ankehitriny. Efa hanomboka ihany koa ny fanamboarana tobim-pamokarana herinaratra iray hiarahana hatrany amin'i Belgique any Sainte Marie. Nanatitra ny fanendrena azy ihany koa ny Ambasadaoron’I Seychelles, Atoa Claude Morel, ka nivoitra fa maro ireo seha-piaraha-miasa iombonan'i Madagasikara amin'ny Nosy Seychelles, toy ny fampiroboroboana ny fizahantany, ny kolontsaina, ny toekarena, ny fiarovana ny fari-dranomasina sy ny ady amin’ny jono tsy manara-dalàna,... Nanambara ny fahavononany ihany koa ny nosy Seychelles amin’ny Lalaon’ny Nosy. Sesilany izany ny fahatongavan’ireo Ambasadaoro omaly izay 4 tao anatin’ny iray andro, raha toa ka 5 no voatendrintsika nandritra ny 5 taona! Mijery akaiky an’I Madagasikara ireo firenena vahiny, izay mety mitady ny tombotsoany, ankoatra ny mety iraka politika amin’izao akaiky fifidianana izao, ka anjarantsika ihany koa no mila mitrandraka izay azontsika sitrahana aminy.
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra