airtel

Politique

30-mai-2023

Politique

Doris Rakoto Samuel Hitarika vahoaka hiditra eny amin’ny kianjan’ny 13 may…

Sample post image

Nanaitra ny fanambarana nataon-dRtoa Doris Rakoto Samuel vadin’I Mahery Lanto Manandafy omaly alatsinain’ny pantekosta tao amin’ny tambajotran-tserasera.

30-mai-2023

Miantso ny olom-pirenena rehetra tsy an-kanavaka hidina eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny tenany rahampitso noho ny fahitana fa efa tsy rariny intsony ny famotehana firenena ataon’ny mpitondra, raha ny nambarany , ka izy no ho lohalaharana. « Rehefa nifandinika izahay mivady dia tsy maintsy miroso, ka dia miantso anareo izay mahatsiaro fa tsy rariny intsony fanapotehina ataon'i Atoa Andry Rajoelina sy Atoa Ntsay Christian, mba hitsangana. Hidina eo amin'ny «Place du 13 mai » Analakely ny alarobia 31 may amin'ny 10 ora. Izaho Doris Rakoto Samuel vadin'i Mahery Lanto Manandafy ny ho lohalaharana eo », hoy izy. Nanome toromarika ny olona fa afaka mitondra sora-baventy izay soratany avy, izay hitanareo fa efa tsy zaka ary tsy mendrika iainan'ny Taranaka, hoy hatrany ny fanentanany. Miantso ny feon'ny fieritreretanareo miaramila zandary sy polisy, vahoaka koa ianareo, manambady aman-janaka ianareo miara-miaina ny fanapotehina ny Tanindrazana eto isika. Niantso ny rehetra hatrany amin’ny tafika ho tonga saina eo anatrehan’ny zava-misy Rtoa Doris Rakoto Samuel. « Nandevoziny ihany koa ianareo, io irery no filoha sahy nampilalao maloto ny polisy zandary sy miaramila nanadio ny maloto teo amin'ny tetezan'i Bekiraro ho an'ny fahafinaretany samy irery tsy nisy fiarovana, ka mba tongava saina ry Malagasy havako », hoy izy. Nambarany fa nisafidy hanao sorona ny tenany i Mahery Lanto Manandafy, manaraka ny lalany ihany koa izaho vadiny izao satria mendrika an'izany Madagasikara sy ny malagasy », hoy hatrany Rtoa Doris Rakoto Samuel. Andrasana ny mety ho setriny avy amin’ny Fanjakana eo anatrean’io. Ny azo antoka, dia efa miomana fatratra amin’ny mety hisiana hetsi-bahoaka ny fitondrana ankehitriny. Tamin’ny fanamarihana ny faha-51 taonan’ny tolon’ny 13 may 1972 teo aza tsy nisy fanambarana hisian’ny hetsika politika, niantrana am-bava bas tets Analakely sy ny manodidina ny mpitandro filaminana zavon-tany mainka fa misy fampahafantarana ofisialy tahaka izao. Azo antoka 100% rahateo fa tsy ny Prefektioran’Antananarivo raha tarafina amin’ny efa nisy hatramin’izay. Mety hosokajiana ho manohintohina ny filaminana anatin’ny firenena ihany koa ve I Doris Rakoto Samuel ka hogadraina tahaka ny vadiny na koa tahaka an-dry Rolly Mercia sy Berija Ravelomanantsoa? Ry Fanirisoa Ernaivo aza any ampitan-dranomasina tratry ny sarika am-pandriana,… Tsy hisy risika politika hisiana fipoahana amin’izao toe-draharaha mafampana izao ihany koa ve anefa ny mety fisamborana sy fanagadrana olona noho ny politika?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap