airtel

Politique

24-juil-2023

Politique

Eliace Ralaiarimanana “Tsy maintsy ho tanteraka eto ny praograman’Andriamanitra”

Sample post image

Tany masina ity Madagasikara misy antsika ity, hoy ny filohan’ny antoko politika Kristianina manao politika, Eliace Ralaiarimanana.

24-juil-2023

Tsy tokony ho eto amin'ity firenentsika ity ny fahantrana sy ny fahasahiranana misy amin'izao tontolo izao fa nofidin'Andriamanitra nametrahany harena miafina rehetra eto saingy betsaka ny tsy fanatanterahana ataon’ny mpitarika, hoy izy. Tonga ny fotoana ankehitriny hanavotako ny firenena. Hiakatra ny fahalalana misy eto Madagasikara ka tsy hijanona ho fototra ara-pivavahana fotsiny fa ho lasa zavaboary ara-panahy mihitsy. Tsy nofinofy fa ho voalohany amin'ny firenena manerantany i Madagasikara ho voninahitr’Andriamanitra. Tsy maintsy ho tanteraka eto ny praograman’Andriamanitra na iza mieritreritra ny tenany ho manam-bola na manam-pahefana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap