airtel

Politique

24-juil-2023

Politique

Fa misy inona indray ? Natao tsara ambina ny kianjan’ny Demokrasia

Sample post image

Lasa sary fahita etsy Ambohijatovo ny fanaovana andrimaso ny Kianjan’ny demokrasia rehefa faran’ny herinandro.

24-juil-2023

Asa na lasa fitobian’ireo mpitandro filaminana eo na efa miantrana noho ny mety fisiana ambana politika ny fitondram-panjakana? Isaky ny misy fanambarana politika lehibebe na toe-draharaha mafampana dia efa mihantrana am-bava basy hatrany izy ireo. Ny 19 jolay lasa teo, nisy ny fanambarana nataon’ny RMDM, fa manomana fitarihana vahoaka hidina eny an-dalambe hanoherana ny mpanjanan-tany izy ireo. Ny Filoha Andry Rajoelina izay mizaka zom-pirenena Frantsay no nambarany tao anatin’izany fa mpanjanan-tany, ka ny fidinana eny amin’ny araben’ny fahaleovantena atsy ho atsy no nambaran’io Rodoben’ny mpanohitra io, fa fomba entina manohitra izany. Asa noho iny ve sa antony hafa mihitsy satria tsy vao sambany no nanetsehana mpitandro filaminana maro teto Antananarivo Renivohitra, raha tsy hilaza afatsy ny fanamarihana ny andron’ny 13 may, ny hetsika notarihin-dry Doris Rakoto Samuel tamin’ny 31 may izay vitsy ary malemy mitaha amin’ny hery mitam-basy navoaka, ary tamin’ny fankalazana ny 8 martsa aza moa, nisy ny fandrarana ireo vehivavy TIM izay tanam-polo tsy afa-niditra tao amin’ny Magro Behoririka. Ny Fitondrana Rajoelina no nanokana ny Kianjan’ny demokrasia nandritra ny fanombohana ny fanonganam-panjakana, nakana fahefana tsy ara-demokratika tamin’ny 2009. Nohidiany sy navadiny zaridaina anefa izany, ary izay mianan-kendry mitarika olona an-dalambe, dia efa any am-ponja ny ilan-tongotra. Lasa mpanome lesona momba ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika ankehitriny, ary mailo tanteraka satria tsy mahatoky tena sy tsy mahatoky valera intsony ny fitondrana noho ny tsy fahombiazana sy ny efa fahasosoram-bahoaka. Raha te ho marin-toerana ny Fitondram-panjakana anankiray, dia tsy ny fianteherana amin’ny tafika sy ny vola no vahaolana, fa ny fitantanana firenena ao anatin’ny Fanjakana tan-dalàna, fitantanana tena mijery izay mahasoa ny firenena sy ny vahoaka, fampandrosoana mipaka amin’ny isam-batan’olona azo refesina amin’ny fiainany,… fa tsy saritsarim-pampandrosoana sy seho ivelany na sanatria tena fanabadoana vahoaka manara-penitra ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap