ary mbola miketrika mafy ny hitazonana izany. Tany amin’ny vina nentina nandresena lahatra ny vahoaka dia efa miharihary fa poakaty ilay IEM, raha tarafina amin’ny vokatra aty aoriana sy ny fiainam-bahoaka. Nolazaina fa niomana 4 taona, efa vonona ny IEM, efa vonona ny mpiara-miombon’antoka sy ny famatsiam-bola, tsy mila ireo mpamatsy vola mahazatra fa isika aza no hampindrana rehefa tonga eo, hatao 5 taona ny tsy vitan’ny mpitondra nifanesy 60 taona,... Mamarana ny 5 taona isika izao, dia iaraha-mahalala ny vokatra, fanadiovan-tena no betsaka, mivadika ny fomba firesaka,… Lazaina fa tsy vita 5 taona indray ny fampandrosoana, tanisaina lava ny krizin’ny coronavirus izay nahazoan’ny Fanjakana vola manodidina ny 1 miliara dolara kanefa ratsy tantana, averimberina ny ady any Ukraine,… Toa vizana sy lany bala ka mandrindra krizy sisa, fa ny vina nitsefotra ny ankamaroany. Nodradradradraina ny tetikasa Tanamasoandro hay tsy nisy vola, ny volan’ny CNaPS no nokajikajiana hananganana building, ary ny Filoha mihitsy no nilaza ny janoary 2020 fa ny misy 300 miliara Ar. Ny tetikasa “Autoroute” toa ny fametrahana vato fototra no nahamaika, fa ny tena fanatanterahana sy ny fomba fiasa nampiady hevitra. Ny 80km no nambara fa hovitaina hatramin’ny faran’ny taona 2023, farafahakeliny tokony efa misy 30km vita raha refesina amin’ny fotoana,… Ny namoahana ny 300 miliara Ar no nahamaika? Ny làlam-pirenena misy tapitra potika satria tsy nokojakojaina, ny nofaritana hatao betsaka no tsy vita ary ny sasany aza vato fototra dia nijanona teo toy ilay “voie rapide” ao Toamasina. Ny lalaon’ny Nosy efa niaraha-nahalala 3 na 4 taona tany aloha fa eto Madagasikara, kanefa dia ao anatin’ny 3 volana sisa no hanenjehana ny fahatarana 4 taona. Toa ilay Filoham-pirenena mihitsy no lasa miditra an-tsehatra amin’ny tsy asany, mba hakana doka. Lasa hamehana tahaka ny jirama nakana vola an’arivony miliara tamin’ny Minisitera samihafa ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy raha ny firesaky ny Filohan’ny Komity olaimpika izay nangataka ny hamoahan’ireo minisitra coach tsirairay ny vola hoentin’ny atleta Malagasy hanoman-tena. Ny delestazy miha mahery vaika, ny solika toa miady ho tandindonin’olana hatrany,... Ny fifidianana ho avy mbola baraingo satria milaza ilay fitondrana fa tsy maintsy hatao, kanefa tsy sahy mamoaka mazava ny tetiandro ofisialy, ny ara-bola mbola manahirana,… Izao ve no mbola heverina hotohizana 5 taona ?
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra