araka ny fanambarana tetsy Bel’Air ny alarobia 16 may teo. Mitaky tsy misy hatak’andro ny hamoahana ny datim-pifidianana noho izany ny RMDM, izay miampanga ny mpitondra ankehitriny ho mitady ny hevitra rehetra hijanonana eo amin’ny fitondrana. Raha ny fanehoan-kevitra ara-politika teo aloha teo, dia mifampiampanga ny mpanohitra sy ny mpitondra, ka ny andaniny milaza fa ny ankilany no miketrika tetezamita, ary manao tahaka izany ihany koa ny ankilany. Samy milaza ho tsy mila tetezamita anefa ankehitriny ka asa hoe : avy aiza marina io resaka io ?. “Tapitra ny fe-potoana, ny lalàna no tokony hajaina sy harahina. Manapa-kevitra sy namoaka toromarika tokana fa hiroso amin’ny fifidianana ny RMDM”, hoy ny fanambaran’izy ireo. Nahitsy io Vondron’ny mpanohitra io nilaza fa aoka tsy ny resa-bola no ialana bala tsy hanaovana fifidianana. Raha tsy manam-bola dia ajanony ny zava-drehetra handaniam-bola fahatany dia atontony amin’ny fifidianana fa mila fifidianana ny vahoaka, hoy izy ireo. Nanipika anefa fa mila jerena ireo pitsopitsony maro, toy ny lalàna mifehy ny fifidianana. “Lazaina fa manana 3 volana mialohan’ny daty ka tsy marina izany fa ny fiantsoana mpifidy no 3 volana. Avoahy ny daty raha tena tsy matahotra fifidianana marina ny mpitondra. Tsy mila tetezamita ny RMDM, aza manofy anay raha tetezamita no atao, aza mianakendry hanao zavatra mifanohitra amin’ny lalàna eto fa ho tompon’andraikitra amin’izany iza manao azany na iza na iza”, hoy hatrany io Vondron’ny mpanohitra io tamin’ny alalan’I Pasitera Edouard Tsarahame. “Tsy midika fa raha hiroso amin’ny fifidianana dia hanaiky ny fandikan-dalàna na halatra. Mila fifidianana madio mangaraharana sy eken’ny rehetra. Raha misy fandikan-dalàna izay mety ataon’ny mpikirakira fifidianana, ny fitondrana, ny CENI. Mampitandrina fa tsy fa hanaiky lembenana ary hihemotra eo anatrehan’izany”, hoy ny RMDM. Milaza izy ireo fa ny mpitondra irery no tsy nanaiky hanao fampiresahana amin’ny pitsopitsony ara-politika sy ara-pifidianana hoenti-manomana fifidianana tena azo antoka sy madio ary andraisan’ny rehetra anjara.
Efa nilaza ny hevitry ny governemanta momba ny resaka tetezamita ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy ka hoy indrindra izy ny 9 may lasa teo : « Ny fitondrana sy ny governemanta ankehitriny dia tsy manana eritretreritra ary tsy ao anatin’ny fanomanana resaka tetezamita. Tsy marina ny filazana fa hisy tetezamita hotarihina Filoha teo aloha sy ny filazana fa efa neken’ny Filoha Repoblika sy ny filoha tany aloha ny hanaovana izany tetezamita izany. Fikarakarana fifidianana no ao anatin’ny fandaharam-potoana lehiben’ny governemanta raha amin’ny politika”
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra