Raha tsy misy ny fiovana, hitokana fotodrafitrasa manara-penitra any Betafo ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny firenena ny 26 jona izao. Etsy andaniny, mitaraina ireo mpampianatra fonksionera sy ireo mpiasam-panjakana samihafa fa teren'ireo manam-pahefana sy olom-boafidy eto Betafo hividy polo 15 000Ar ary kasikety 10 000ar volomboasary hoentina itsenana ny filoha, araka ny fitarainana avy amin’ny mpiasam-panjakana any an-toerana. Tsy ny fotodrafitrasa sy fitokanana no tsy sitrak’izy ireo fa ny tery vay manta amin’ny fanerena hiala vola sy hianjaika ny loko politikan’ny fitondrana, raha ny fanamarihana. Tsy vao sambany moa ny endrika fanerena ankolaka na mivantana ny mpampianatra na mpiasam-panjakana hafa hisalotra ny loko politikan’ny fitondrana. Betsaka no mitaraina, saingy toa tsy afa-manoatra satria matahotra antsojay. Ny tany amin’ny faritra Diana ohatra, dia nisy hatramin’ny hoe: fanatsoahana ny moto ampiasain’ny mpampianatra noho ny tsy fanekena hatao fitaovana politika, tahaka izany koa ny fandrahonana famindran-toerana. Ireny iaraha-mahita ireny ny fandokoana volomboasary rehefa mizara ny fifanarahana arak’asa ho an’ireo mpampianatra FRAM izay voaray ho mpiasam-panjakana,… Tsiahivina foana fa ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana no milaza mazava fa ny Fanjakana no miantoka ny tsy fiandaniana ara-politika amin’ny fitondran-draharaham-panjakana, tafika, fitsarana, fanabeazana sy fampianarana. Asa raha mifanaraka amin’izany ity fiezahana hampisalotra volomboasary lava ny mpiasam-panjakana ity ankoatra ny fandokoana samihafa?
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra