airtel

Politique

25-mai-2023

Politique

Fanirisoa Ernaivo sy Marco Randrianisa Tena nosamborina saingy navotsotra avy eo

Sample post image

Tena nisy tokoa ny fisamborana an’I Fanirisoa Ernaivo sy Marco Randrianisa tany Frantsa ny talata lasa teo, raha ny nambaran’izy ireo tao amin’ny tambajotran-tserasera.

25-mai-2023

Izy ireto izay marihina, fa mpanakiana fatratra ny Fitondrana Rajoelina, ary tazana hatrany tamin’ireo hetsika samihafa nataon’ny mpanohitra izao fitondrana izao tany Frantsa. “Tena marina tokoa fa voasambotra aho tamin’ny maraina, nalaina tao an-trano mba hatao “garde à vue”, nalaina tany amin’ny tany misy ahy hatao fanadihadiana, izaho sy Marco Randrianisa. Tahaka ny mahazatra anefa dia tsy afaka nitazona ahy elabe ry zareo, fa voatery namoaka ahy rehefa vita ny fanadihadiana”, hoy I Fanirisoa Ernaivo. Raha hiverenena, ny 25 aogositra 2021 dia efa nisy ny fisamborana azy noho ny filazana ny tenany ho nikasa hanakorontana sy nitondra baomba nandritra ny fivorian’ny MEDEF (Mouvement des Entreprises de France) natrehin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, tany Longchamp Frantsa. Navotsotra anefa avy eo rehefa voalaza fa tsy nitombina. “Aty amin’ny tany misy lalàna isika, aty amin’ny tany misy Fanjakana fa tsy tahaka ny any Madagasikara, lasa “Madagougou” tsy misy zavatra mandeha, ka isaorana an’Andriamanitra aloha mbola taty fa raha tany Madagasikara mety tsy tafavoaka”, hoy I Fanirisoa Ernaivo tamin’ity fisamborana faharoa ity. Nilaza kosa I Marco Randrianisa fa rehefa fisamborana tahaka ireny tsy misy azonao atao, fa rehefa any amin’ny birao vao mandeha ny resaka. Niditra “garde à vue” izahay, fa 15 minitra raha be indrindra, fa ny sisa tany amin’ny birao natao fanadihadiana, hoy izy, izay naneho fa ny marina no notenenina tao. Mbola nisy moa ny teny nataony omaly nilaza hoe: “KO debout Rajoelina, il frappe dans le vide”. Nampahatsiahy ihany koa fa tany tan-dalàna ny ao La Frantsa, afaka miteny sy maneho hevitra, fa mila mitandrina satria azon-dry zalahy avadika ho fandrahonana, hoy izy. Tandremana ny fanaovana hetsika mahery vaika lehibe. Ny Minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha Atoa Patrick Rajoelina moa no isan’ny tondroin’ireo mpanohitra ny fitondrana monina any Frantsa ho ambadiky ny fitorohana ka nisamborana azy ireo. Mbola tsy nisy kosa hatreto ny fanazavana ofisialy avy amin’ny fitondram-panjakana momba ny antony mazava sy ny vesatra nampisamborana azy ireo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap