airtel

Politique

31-juil-2023

Politique

Fanjakana Rajoelina Ambanin-javatra tanteraka ny diplaomasia

Sample post image

Masoivoho miisa 4 amin’ny 19 sisa no manana masoivoho. Tsy hahavita mandefa masoivoho any ivelany intsony na nisy aza ny fampanantenana tamin’ny fametrahana an’I Yvette Sylla ny 20 febroary 2023,

31-juil-2023

raha ny fanehoan-kevitry ny Ambasadaoron’I Sénégal teo aloha Atoa Paraina Auguste tamin’ny fahitalavitra iray ny faran’ny herinandro teo. Fanendrena izay hameno ireo Masoivoho any amin’ireo firenena tokony hanaovana izany no nambara tamin’ny fanendrena ny Minisitry ny raharaham-bahiny Yvette Sylla, saingy na ny fanoloana ny tenany amin’ny ambasadaorontsika tany amin’ny UNESCO aza tsy vita. 5 volana aty aoriana, tsy nisy na iray aza voatendry ankoatra ny Kaonsily Jeneraly ao La Réunion, izay tsy fantatra na efa tena nandray ny toerany na tsia? Mangataka “agrément” dia ela, ka asa na efa tafapetraka I Tinoka Roberto na tsia? Hoy io Ambasadaoro teo aloha. Misy rahateo ny fankatoavana, ka raha manana dosie maloto, dia tsy raisin’ireo firenena vahiny, raha ny fanazavany. Tany amin’ny desambra 2022 tamin’ny andron’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina anefa no nanaovana serasera fa hafainganina ny fanendrena ireo masoivoho, ary nisy antontan-taratasy 303 mihitsy no voaray, saingy asa na namonosana mofogasy fotsiny na natao aiza? Frantsa, Maurice, Chine, ary Bruxelles no hany ananatsika ambasadaoro hatramin’izao. Betsaka anefa ny manam-pahaizana eto, saingy betsaka no mety ho sakana, ka anisany ny resa-bola. Tsy hahavita hanendry masoivoho vaovao intsony noho izany ny Fanjakana Rajoelina. Nanaraka ny dian’ny Fanjakana Rajaonarimampianina izay tsy nahatendry afatsy 5 monja tao anatin’ny 5 taona, kanefa betsaka ireo firenena stratejika tokony hananantsika ambasadaoro. Anisan’ireny i Japon, Allemagne, Etazonia, Vondrona Eoropeanina,... Tsy ataony laharam-pahamehana loatra ny diplaomasia, ka mieritreritra angamba ity fitondrana ity fa izy irery ihany dia mahavita azy, hoy I Paraina Auguste, izay naneho fa manana olana ara-bola matoa tsy afaka manendry masoivoho. Ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ihany, hoy izy, no afaka nametraka sy nameno ireo masoivoho tao anatin’ny 3 volana monja nitondrany ny firenena. Ny eto mangoron’entana raha raisina amin’io ataon’ny Norvezianina io, kanefa ny fanendrena dimy taona tsy mandeha. Manjoretra sy marefo hatrany ny diplaomasia Malagasy, izay isan’ny taratry ny faharefoan’ny fitantanana sy ny Fanjakana!
Toky R

 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap