Nampiasaina ny mpitandro filaminana hanakana ny mety ho mpifanandrina, saingy tsy ampy iny fa namoaka didy mandrara ny famoriam-bahoaka ara-politika an-kalamanjana ny Minisiteran’ny Atitany. Tsy voasakana kosa ny mpitondra amin’ny maha mpanatanteraka azy. Hatramin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena nahitana ny Vondrona Eoropeanina sy masoivoho 7 no namoaka fanambarana fa fanohintohinana ny demokrasia izao. Namoaka indray ny firaisamonim-pirenena fa manao fanararaotana ny fitondrana ka afangaro ny lanonam-panjakana sy ny kabary politika. Mandeha ny kapa ranjo samihafa ho an’ny antoko sasany, tahaka ny tsy namelana ny MMM (Malagasy Miara-Miainga) namory olona tao anatin’ny toerana mifefy fanaovana lanonana any Imito, Faritra Amoron’I Mania, nesorina ny Lehiben’ny distrikan’Andapa izay heverina fa noho ny tsy fanakanana ny hetsika Mihava Tour an’I Siteny Randrianasoloniaiko,... An-kilany, ny olon’ny fitondrana manao ny ataony hatrany, tahaka ny “Redynamisation Antoko TGV” notarihin’ny Depiote Nina. Toerana ankalamanjana fa mety mifefy, hetsika politika ary izany anarany izany dia efa mazava,… saingy afaka manao izay tiany. Manginy fotsiny ny fampiasana ny fahefam-panjakana samihafa, ny volam-panjakana, ny fitaovam-panjakana, ny fizarazarana zavatra,… ho amin’ny tombotsoa politika. Ny hafa kosa sakanana sy hetraketrahina! Raha tarafina amin’izao fihetsika mamoafady ara-politika samihafa izao sy isian’ny fanjakazakan’ny TGV sy fihetraketrahana ny hafa, ankoatra ny rafitra mpikarakara fifidianana manalasala ny hafa, ny lisi-pifidianana mampiahiahy, ny rafitra mpitsara ny fifidianana izay betsaka no tsy mahatoky, dia maty antoka tanteraka ny Antoko sy Vondrona antoko eo anivon’ny fitondrana raha tsy mahazo 80%. Tena mbola mahatoky sy resy lahatra amin’ilay fitondrana ankehitriny ve anefa ny vahoaka maro an’isa, raha tarafina amin’ny fihemoran’ny firenena, ny fitotonganan’ny toekarena, ny fitomboan’ny tahan’ny mahantra, fitdangan’ny vidim-piainana, tsy fandriampahalemana, afera maloto sy kolikoly,… Asa na hanaitra ny hambom-pon’ny hafa izany fa raha ny zava-misy dia efa don-tandroka sy fandemen-tsaina avo lenta hibodoana fahefana io?
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra