izay manomboka amin’ity taona 2023 ity. Tamin’izany no nanolorany lelavola mitentina 4.500.000.000 Ariary izay natokana hividianana fiara tsy mataho-dalana miisa 10 sy moto cross 148 ho ampiasaina eo anivon’ny CENI foibe sy ireo rantsamangaikany. Ny fahatsapan’ny Governemanta Japoney ny filàn’ny CENI eo amin’ny lafiny fitaterana amin'ny fanomanana sy ny fanaraha-maso ny fifidianana ho Filohan’ny Repoblika 2023 no nanosika azy ireo hanao izany fampitaovana izany, hoy ny fanazavana. Izany no hiantoka ny fampandehanan-draharaha rehetra amin’ny zotram-pifidianana. «Hihatsara kokoa ny fanatanterahan’ny CENI sy ireo ratsamangaikany ny asa nohon’ny fisian’ireto fitaovam-pitaterana izay mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony. Hanampy azy ireo amin’ny fanatanterahana ny raharaham-pifidianana sy ny fanarahamaso eny ifotony ny asa fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy ihany koa izany », hoy ny Masoivohon’i Japon miasa sy monina eto Madagasikara, Atoa Abe Koji. Tsy handrotsa-bola mivantana, tsy tafiditra ao anatin’ny “Basket fund”, tsy handrotsa-bola ao, fa hanohy ny fanampiana mivantana amin’ny alalan’ny “fond de contre-valeur”. Nomarihin’ny CENI kosa, fa manampy ny fanohanan’ny Vondrona Eoropeanina, i Frantsa, ary i Alemana amin’ny alalan’ny kitapom-bola iombonana « basket fund » amin’ny tetikasa RPEDEM (Renforcement des processus Electoral et Démocratique à Madagascar) ity fanampian’ny Japon’y ity. Araka izany dia manana tokinaina hatrany ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena Misahana ny Fifidianana (CENI) amin’ny fitohizan’ny asa rehetra mifandraika amin’ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana ho avy, hoy io Vaomiera io. Nilaza hatrany moa ny CENI, fa taona manan-tantara ho an’ny demokrasia eto Madagasikara ny taona 2023, hanatanterahana ny fifidianana Filohan’ny Repoblika. Ny alakamisy 9 novambra ny fihodinana voalohany raha ny alarobia 20 desambra kosa ny fihodinana faharoa. Mba hiatrehana ireo asa lehibe miandry sy hanatanterahana ny vina izay napetraky ny CENI : « zotram-pifidianana tsara homana, handraisan’ny rehetra anjara, antoky ny fitoniana sy filaminana » dia manao ny ezaka rehetra ny CENI miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, hoy io Vaomiera io. Na izany aza, mbola betsaka ny adihevitra sy ahiahy politika mandeha, ary isan’ny taratr’izany ny fakan-kevitra ataon’ny SADC eto amintsika. Mila alamina sy jerena mba hisian’ny antoka fa hadio ny fifidianana!
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra