airtel

Politique

20-juil-2023

Politique

Fanoherana an-dRajoelina Hitarika vahoaka eny an-dalambe ny RMDM…

Sample post image

Niaiky ny maha vazaha azy ny Filoha Rajoelina, ka tsy tandindonin-doza intsony, fa efa mihatra ny loza izay tsy tian’ny Malagasy indrindra,

20-juil-2023

ary tsy nisy Malagasy tamin’ny andron’ny Frantsay na amin’izao maniry ny hoentin’ny Frantsay izany, hoy ny RMDM omaly 19 jolay 2023. Miantso ny Malagasy sy ireo manamboninahitra tsy mpitehaka fotsiny mba handray andraikitra amin’ny tanindrazana izahay, hoy izy ireo. Naneho fa tsy natao hitehaka tahaka ireo jeneraly begalona nanotrona ny Filoha ny mpitandro filaminana fa natao hiaro, ary ny lalàna tsy misy hoe: 1sm na 8sm fa rehefa lalàna dia lalàna, ka miantso ny mpitandro filaminana hampihatra lalàna izy ireo. “Raha tsy handray handray andraikitra ny miaramila fa ho lasa sonegaly baikom-bazaha dia hijoro ny Malagasy, hijoro izahay fa tsy hanaiky lembenana na amin’ny mora na amin’ny sarotra ka asakasakareo mpitandro filaminana raha hanaiky hatao bolokim-bazaha hamono ny Malagasy, fa izahay tsy hanaiky hoentina vazaha na oviana na oviana”, hoy hatrany ny RMDM. Niantso ny mpanao politika rehetra eto amin’ny firenena izy ireo, ka na misy aza ny fampiakarana ho 200 tapitrisa ny Ar ny anto-bola amin’ny fifidianana, tsy maninona izany fa andao hiray fo hiray hevitra ary hiray saina ka hanavotra an’i Madagasikara”, hoy ny RMDM. Niantso ny mpiasa rehetra na miankina na tsy miankina mba hiaro ny tombotsoa iombonana, mba ho sahy hijoro, ka hiray fo sy hiray saina hoentina vazaha, izay nilazan’izy ireo fa fanambaniana ireo razantsika niady sy nanao vy very ny aina tamin’ny 1947 raha mbola hanaiky hoentim-bazaha. “Hanomana fotoana iray tsy ho ela hoentitsika manohitra ny mpanjanan-tany eto amin’ity firenena ity. Tsy maintsy hisy fivoriam-be fandresen-dahatra satria samy Malagasy; hiantso ireo manamboninahitra tsy mpitehaka sy tsy mpanao ramatahora fa tena hiaro tanindrazana; ary fahatelo dia tsy maintsy hirotsaka eny amin’ny araben’ny fahaleovantena satria fahaleovantena izany takiana izany”, hoy ny RMDM tamin’ny alalan’ny Pasitera Edouard Tsarahame Mpitondra teniny. Amin’ny maha akaiky fifidianana ny hetsika ambaran’izy ireo fa hataony, nilaza ny RMDM fa izay mihitsy no tena tanjona dia ny hisian’ny fifidianana madio tsy misy vazaha. Mbola tsy niteny hirotsaka an-dalambe ka tsy hita ny RMDM fa ny anay izay teneninay dia hotanterahinay, koa mmiantso ny mpahay lalàna, mpitandro filaminana, mpanao politika, ny olom-pirenena satria tanindrazana iaraha-manana, hoy hatrany io Rodoben’ny mpanohitra io.

TOKONY HOSAMBORINA
Tahaka ny Filoha Koreanina Tavaratra na koa ry Vladimiry Poutine izay notronina Jeneraly tamin’ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety. Ny Amiraly Ratsiraka aza farany ambony tamin’ny galona tsy nanao tahaka ireny, fa ity tena tsy ny soatoavina Malagasy no nentiny teo fa kolontsaina avy any ivelany. Tsy Malagasy iny fa vazaha, milaza fa taratasy kely iny, fa rehefa mangataka an’iny ianao dia mihaniana fa hanompo an’i Lafrantsa sy ny Vondrona Eoropeanina, izay vao mahazo an’iny. Manomboka izao dia vazaha i Andry Rajoelina, famadihan-tanindrazana no nataony, ka ny valiny dia tsy maintsy samborina, tokony hosamborina, hoy i Tabera Randriamanantsoa. Andrasana izay mety ho setriny avy ao anaty fitondrana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap