Efa nisy ihany koa ny fampanantenana ara-bola nataon’ireo mpiara-miombon’antoka sasany toa ny Vondrona Eoropeanina sy ny firenena Frantsay. Sary maneho ireny fa ho avy ary hiroso amin’ny fifidianana. Na izany aza, mbola betsaka ny adihevitra politika eto. Raha ny loharanom-baovao, mbola tsy levona ny karazana fitadiavana làlana politika ahafahana mametraka fitsipi-dalao mazava ara-pifidianana. Anisan’ireny ilay hoe: GENIE (Gouvernement d’Entente National Intermédiaire des Elections) izay voalaza fa tena mbola mandeha ny ketrika politika hoenti-manatanteraka an’io. Mandeha ny fihaonana politika samihafa sy mangingina any ambadika any na efa nivoaka aza ny datim-pifidianana, ary voalaza fa na ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola amin’i Madagasikara aza mandrisika an’io. Tsy tongatonga ho azy ny fanambaran-dRtoa Isabelle Delattre Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina eto tany amin’ny volana may, fa tsy misakana ny hisian’ny tetezamita, raha izay no làlana ivoahana amin’ny krizy tapak’ireo herivelona politika samihafa. Efa nisy mpanao politika nilaza fa isan’ny nikotrehana an’io tany Frantsa,… Mandeha ny fikopahana afo amin’ny mety hananganana rafitra vaovao hitantana ny firenena sy hiantsoroka ny fifidianana, ka tsy ho tetezamita fa fametrahana governemanta hitantana araka ny tokony ho izy ny zotram-pifidianana, raha ny fikononkononana any ambadika any. Efa hatry ny ela rahateo ny adihevitra samihafa momba ireo rafitra mitantana sy mitsara ny fifdianana ankehitriny izay hatry ny ela no nampiady hevitra ireo mpanao politika ny CENI sy ny HCC. Mety hiova hatramin’ny tantana raha ho tonga amin’izay tokoa satria mety fifidianana atomboka any amin'ny sefo fokontany aloha dia miakatra miakatra. Hofoanana sy hovaina ireo rafitra, ka farafahaelany 24 volana dia ho vita avokoa ireo fifidianana rehetra miainga any ifotony ka hatrany an-tampony, raha ny kajy mandeha.
MAILO NY MPANAO POLITIKA, MIJOBOKA RAJOELINA
Ny Filoha ankehitriny toa mihazakazaka manao sehoseho politika, manezaka manangam-pahavalo, fa ny olona goavana sasany ao anaty fitondrana mety efa milalao politika. Nandeha ohatra ny adihevitra momba ny hoe : tsy fampahafantarana azy mialoha ny datim-pifidianana ka asa na mitombina tokoa na tsia? Ny rehetra efa manomboka mailo sy mitandrina, raha toa ka mieritreritra ny tenany ho mbola zavatra tokoa ny Filoha am-perinasa. Manao vava be sy manangana fahavalo fa ny mpanao politika avy eo mety miombina ihany. Indraindray toa lasa miteniteny foana, lasa maimbo imasom-bahoaka, miteny zavatra mety tsy tokony hotenenina, tsy manaiky ho diso, mbola mampanantena poakaty,... Tsy mbola nandray lesona tamin’ny tantara hatrizay ve izy fa ao anatin’ny iray andro dia mety hitsimbadika ambony ambany ny zava-drehetra ?
Toky R
Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.
Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.
Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!
Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly
Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.
Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra