airtel

Politique

19-juin-2023

Politique

Fiarovana Filoha vazaha taratasy Tsy mitovy hevitra ireo mpamono afo

Sample post image

Misavoritaka sy misambadidaka ambony ambany ny mpitondra Fanjakana miezaka miaro tena sy mamono afo eo anatrehan’ny maha vazaha an-taratasy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.

19-juin-2023

Manao ranolava ny vono afo, kanefa toa lasa mifanipaka toy ny atsimo sy avaratra. Ny Minisitry ny serasera milaza fa “par filiation” no nahazoan’ny Filoha ankehitriny, avy amin’ny Razambeny nizaka ny zom-pirenena Frantsay satria taranaka faha-4 izy,… Mizaka ny zom-pirenena Frantsay “par filiation”, ary izy tsy nisafidy hoe: atao Frantsay na Malagasy ny Raiamandreniny sy ny razambeny, hoy io Minisitra io. “Par diplomatie, izaho mino fa tamin’ny alalan’izany satria ny Filoha Andry Rajoelina dia niala teto Madagasikara, ary nanao ny fiainana ny politikany nanomboka ny volana martsa 2014, nandeha nampianatra ny zanany sy nikarakara ny vady aman-janany tany Frantsa. Nifototra tanteraka tamin’ny fiaianam-pianakaviany”, hoy ny Talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika teo aloha Rtoa Rinah Rakotomanga. Nambarany fa :“tsy nangataka zom-pirenena Frantsay ny filoha Andry Rajoelina fa nomena, ary zon'ny fanjakana Frantsay tanteraka izany. Ka ianao ve efa omena dia hiavonavona handà indray", hoy ny fanehoan-keviny. Angaha tsy avy amin’ny razambeny indray? Ilay hoe: “naturalisation” anefa dia tsy maintsy mangataka vao mahazo ka nomena sa nangatahana? Ny irakiraky ny Fanjakana Moussa Soalihy indray milaza fa tokony haatona aloha ny fampiharana ny lalàna momba ny zom-pirenena, momba ilay andiny faha-42 izay mahavery ny maha Malagasy ho an’izay mangataka zom-pirenena hafa ao aorian’ny faha-18 taonany, fa hampikorontana ary mety hampifamono antsika Malagasy eto mihitsy ny fampiharana an'io. Rehefa misy fandikan-dalàna mahakitika ny zoron-damban’ny Mpitondra ambony izany dia tokony haato aloha ny lalàna? Ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle moa nivoy ny hoe : tao anatin’ny 63 taona, maro ireo kandida nanana zom-pirenena hafa ankoatra ny maha Malagasy azy afaka nirotsaka ho Ben’ny tanàna, Solombavambahoaka, Loholona, Filohan’ny Repoblika ary neken’ireo rafitra sy Andrim-panjakana maro samihafa nandritra ny 63 taona. Ny adihevitra dia ny fomba nahazoan’i Andry Rajoelina azy.
FAMADIHAN-TANINDRAZANA, MIARO NY TOMBOTSOAN’I LAFRANTSA
Isan’ny mason-tsivan’ny Frantsay ao anatin’ny fanomezana ny zom-pirenena Frantsay ho an’ireo mangataka izany ny fanekena sy fiombon-kevitra amin’ny lalan-tsaina sy ny soatoavina manokan’ny Repoblika Frantsay na “être d’accord avec les principes et valeurs essentiels de la République”; manao zavatra manokana ho an’ny tombotsoan’i Lafrantsa na “services exceptionnels à la France”,… Eo no mety ho tafiditra ilay resaka famadihan-tanindrazana satria ny fiarovana ny tombotsoan’i Lafrantsa no ambony. Ny fampanantenana nataony hitakiana ny “îles Eparses”, ohatra, dia azo adika ho lainga variraraka. Ratsy toerana tanteraka i Andry Rajoelina ka asa izay hiafarany fa raha ny zava-nisy hatramin’izay niainga 2009 aloha dia toa mipetraka ho tsy maty manota izy sy ny ekipany…
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Nanolotra tatitra an-tsoratra ny vokatry ny fitsirihana na “audit” nataony tamin’ny lisi-pifidianana teo anelanelan’ny 23may-31 jolay ireo manam-pahaizana eto an-toerana omaly.

Card image cap
18-août-2023

Somary mamaivay ny raharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Falson Jocelyn Rantenaina.

Card image cap
18-août-2023

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

Card image cap
18-août-2023

Namoaka fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly

Card image cap
18-août-2023

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

Card image cap
18-août-2023

Kandida ofisialin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ny tenako, Tahina Razafinjoelina, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko nandritra

Card image cap